Alatsinainy 10 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 14-20

Ny Lalam-panorenana no mandrafitrany toe-piainan'ny mpikambana tsirairay. Tokana ny lalam-panorenana, izay iainana sy halalinina ao amin'ny "novisia". Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.

Alahady 9 janoary 2022 — Ny Batemin'ny Tompo — Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe : Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 3, 15-16. 21-22

Ny Fitaizam-pahasalamana amin'ny lafiny rehetra dia  sarobidy satria ny fahasalamana no iankinan'ny fiainana manontolo. Ny fahasalamana no voalohan-karena ary ilaina tandrovina tsara. Ny fahasalamana dia tsy hoe "tsy fisian'aretina" fotsiny ihany, fa azo hadika ho fahatomombanana ara-batana, ara-tsaina, ara-pifandraisana sy ara-tsosialy ihany koa... 

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...