Alatsinainy 18 oktobra 2021 — Masindahy Lioka, evanjelista — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Lioka 10, 1-9

♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy omaly alahadyny fankalazàna ny andro maneran-tany ho an'ny misiona sy ny fanokafana ny sinaodin'ny eveka, izay hotanterahina ny taona 2021 hatramin'ny 2023... ♦ Niharan'ny lozam-pifamoivoizana ny fiara "blindé", izay mamarana ny "cortège" miara-dia amin'ny filoham-pirenena omaly tolak'andro tokony ho tamin'ny 3 ora teny Ambatobe. Tsy nisy ny aina nafoy, fa olona 10no naratra... ♦ Vita ny fanavaozana ny toeram-pialamboly sy fitsangatsanganana eny Analamanga Park, kaominina Ambalavao, distrika Antananarivo-Atsimondrano, ny Faritra no niantsoroka ny lany rehetra...

Tsapa araka itsy voalaza tetsy aloha, fa miharatsy ny tontolo, fomba fiaina sy ny fisainana. Mibahan-toerana kokoa ny tontolon'ny fahafinarehana. Tsy resy lahatra intsony ny olona rehefa misy fanentanana raha tsy mahita fafinaretana aloha vao ny mahasoa. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Miovaova noho ny firehan-kevitra ny endrik'izao tontolo izao. Tsapa araka itsy voalohany, fa miharatsy ny tontolo, fomba fiaina sy ny fisainana. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...