Tsy afaka milaza ho nantsoin'Andriamanitra ho amin'ny fanambadiana ny olona iray raha tsy maty an-kazo tokana tamin'ny olona iray nekeny ho vady ; toy izany koa ny pretra na relijiozy iray, tsy afaka ny hiambo ho pretra na relijiozy izy raha tsy maty tamin'ny lalana nosafidiny na dia niaritra olana sy sedra maro aza. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Talata 23 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 5-11

♦ Ny 7,99% n'ny vola sisa no tsy voaloa tamin'ny fanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina. Tsy marina noho izany ny filazana tamin'ny tambazotra sôsialy fa tsy voaloa ny vola nanamboarana izany, hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Nampahafantatra indray ireo mpiasa teo anivon'ny SECREN, mitaky zo, fa mitohy ny fitokonana ataon'izy ireo mandram-pivalin'ny fitakiana...

♦ Akon'ny fankalazana ny Andron'ny Tanora, izay ankalazaina amin'ny Fetin'i Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...