Alakamisy 05 marsa 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Evanjely masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 7-12 — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin'ny Tompo, ary fanavotana lehibe.

Nanaiky ny fangatahan'i Haja i ramatoa Razay, dia ny handresy lahatra an'i Ranja mba hanaiky hanambady an'i Haja. Latsa-pitia amin'i Mialy izay anabaviny aloha hatreto i Tefy. Sahiran-tsaina mafy noho izany izy. Torak'izany koa i Mialy, latsa-pitia aminy. Diso fanantenana tamin'ny toky nolazain'i Haja taminy i Tiana. Noteren'i Haja indray izy hanisy poizina ny sakafon'i Mialy, toy izay efa nataon'izy ireo tamin'i Rivo.

Tsy mbola namboraka ny zava-nanjo azy tamin’ikaky Rakonka mianaka i Anja. Nanomboka teo dia tebiteby sy ahiahy lava no niainany isan’andro. Hisy fampinomam-be hotanterahana ao an-tanàna, hanafoanana ireo izay mikasa hanisy ratsy na hanao toetra tsy mendrika amin’ny mpiara-belona aminy. Anisan’izany i Anja efa noahiahian’ny iray tanàna ho mpamosavy. Tsy andriny ny fotoana, hanaporofoany amin’ny olon-drehetra fa olo-marina izy.

Alarobia 04 marsa 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 2-32 — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...