♦ Nosokafana omaly ny Sinaody faha-7, ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana... ♦ "Eglizy miara-mandray andraikitra, miara-manatontosa ny iraka", io no hafatrafatra natolotr'i Mgr Jean Claude Randianarisoa, nandritra ny fitsofan-drano ny fasana vaovaon'ny fikambanana Trinitera, tao amin'ny Diosezin'i Tsiroanomandidy... ♦ Tsy hoe, manompo ireo madinika, fotsiny ihany, fa mahatsapa ho madinika ihany koa : fampianarana nentin'ny Ray Masina nandritra ny vavaka Angelus omaly, teo amin'ny kianjan'i Masindahy Piera...

♦ Andro eran-tany ho an'ny toeram-ponenana : Natomboka androany teny Isotry ny fandaharan'asa fanadiovana ho fanatsarana ireo toeram-ponenan'ny mponina eny amin'ny faritra iva... ♦ Tsy misy antony tokony hampiakatra ny vidim-bary mihitsy, na ho avy aza ny maitso ahitra, mbola misy tahirim-bary 100 000 taonina ao Toamasina... ♦ Hovelomina ny orinasam-panjakàna Madarail ho fanamaivanana ny fitanterana entana ho an'ny RN2, famatsiam-bola avy amin'ny banky iraisam-pirenena...

♦ Hafainganina ny asa rehetra fampandrosoana ny tanan-dehibe, ho an'ny tontolo tsy misy entona "carbone" manimba ny tontolo iainana, izay no lohahevitry ny andro eran-tany ho an'ny toeram-ponenana, anio... ♦ Ho atao toeram-pitsangatsanganana amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny torapasik'i Libanona-Tolagnaro, natomboka tamin'ny sabotsy ny asa... ♦ Tokandrano 75 000 avy amin'ny distrika 13 no misitraka ny Vatsin'ankohonana izay tanterahan'ny FID...

Avelao ny Fanahy Masina hiasa ao anatin'ny fahanginana. Antsoy ny Fanahy Masina hanazava sy hanoro mba hahaizana mihaino ny tenin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fahaizana mihaino antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...