Manana otrik’arena goavana ara-tontolo iainana ampandrosoana ny firenena ny faritr’i Sofia. Havokavoky ny karazan-javamanan’aina eto amin’ny nosy ity faritra ity hoy Dokotera Manantsoa Clermond, Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ao Sofia. Isan’ny mitana ny laharana voalohany noho ny fananany morontsiraka 450 kilometatra, sy helidrano miisa dimy ny faritra.
♦ Nahitàna fitombony 3,31% ireo mpifidy voasoratra anarana taorian'ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy ho an'ny taona 2024-2025 (RALE), araka ny fampitam-baovaon'ny CENI... ♦ Tsy ampy ireo mpiasa eo anivon'ny sampandraharaha misahana ny famerenana amin'ny Fanjakàna ireo harena azo tsy ara-dalàna (ARAI). Voafetra koa ny vola ampiasainy satria tokana ny mpamatsy vola azy sy ny SAMIFIN, CSI ary PAC... ♦ Zava-dehibe ary efa fiomanana sahady amin'ny taranja ara-panatanjahantena amin'ny fanadinana Bakalôrea ny EPS BEPC... ♦ Nigadona alina tao Luanda ny filoha Gabonais teo aloha Ali Bongo sy ny fianakaviany...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tafiditra anatin'ny soatoavina Malagasy ny fanajàna sy ny fikarakarana ny zokiolona. Andraikitry ny zanaka sy ny taranaka ny mikarakara ny ray aman-dreny niteraka, rehefa reraky ny fitadiavana izy ireny. Manana zo miaro azy toy ny olona rehetra ny beantitra ary enjehin'ny lalàna ny fanararaotana sy fampijaliana iniana atao amin'izy ireny. Ny fitsinjovana ny fahasalamana amin'ny fahanterana dia manomboka amin'ny fahakely... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco