Ireo Olomasina rehetra dia samy nandalo ny "lohasaha maizina" avokoa, toa very fanantenana aza indraindray izy ireny, nefa tsy kivy. Tsy kivy tsy mihemotra fa mandroso hatrany. Mila faharetana ny vavaka, mila herim-po ; aza miady irery fa ndrao resy, fa antsoy ny mponin'ny lanitra, hankahery sy hanohana indrindra ny Fanahy Masina sy ireo Anjely mpiambina antsika... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

  • Tsy nampanantena ny hahatafitan'ny Barea any amin'ny Mondial 2026, ny mpanazatra vaovao. Hiezaka hiasa aho, hoy izy androany, na dia mety tsy ho azo alaina an'eritreritra aza izany...
  • Ahiana ho tapaka ny AGOA, ka mety hahavery asa an-hetsiny eto Madagasikara. Maro amin'ireo orinasa afaka haba eto amintsika no efa mitsinjo lavitra, hoy ny Randrana Sendikaly...
  • Nanao hetsika indray ireo mponina eny Anosiarivo Ambohimanga Rova, manoloana ny fanamboarana ny lalambe migodana eny an-toerana. Mitaky ny fampiatoana ny asa sy hisian'ny dinika amin'ny fanjakana izy ireo...

  • Tara 5 taona Madagasikara amin'ny firosoan'ny mpitondra hanome vahana ny famokarana eny ambanivohitra. Tsy nanana finiavana hanao izany ezaka izany ny mpitondra tamin'ny fe-potoan-kiasan'ny voalohany ny filoha mitantana ny firenena amin'izao fotoana izao hoy ny Profesora Ralison Roger...
  • Hanomboka hizara amin'ny fomba ôfisialy ny masomboly safiotra na ny riz-hybride ny filoham-pirenena. Efa eto Madagasikara ny masomboly 200 taonina nafarana avy any Chine...
  • Tsy ho tratra ny fanambin'ny mpitondra amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara raha tsy misy fandraisana andraikitra manoloana ny fanabeazana sy ny fampianarana hoy ny kônfederasiônan'ny SEMPAMA...
  • Voatendry ho filoha mpisolo toerana vonjimaika any Syrie Andriamatoa Ahmad Al-Chareh, izay nandray ny fitantanana an'io firenena io taorian'ny fanonganam-panjakàna tamin'ny 8 desambra 2024...

Ny firaisan-kina no hery ary ny fifampiresahana dia miteraka filaminana, ireo no mitondra amin'ny fampandrosoana. Ny fanabeazana miainga ao an-tokantrano no mampianatra ny zanaka hahay andray andraikitra miainga amin'ny fanadiovana ny vatana. Ny fifampitokisana dia mitondra amin'ny fahamarinana, ho voahaja manaraka izay ireo soatoavina hafa... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...