Na dia mandalo vanim-potoana sarotra aza dia tadidio fa mbola hisy ny tsirim-panantenana eo amin' ny fiainana. (28-04-2021)
♦ Mila mikatsaka fitoniana sy fanarenana ny toe-karena eto amin'ny firenena ny hery velona tsy an-kanavaka, hoy ny Kômity Miaro ny Soa Iombonana... ♦ Marary miisa 17 no lavon'ny Coronavirus ny talata lasa teo. Miisa 320 kosa ny tranga vaovao...
Ilaina ny manokana fotoana indraindray mba hanaovana loabary an-dasy ka manao tombana ny fiainam-pianakaviana. Ilaina koa anefa indraindray ny mangina ao an-trano ao mba hahafahana miresaka amin’Andriamanitra bebe kokoa. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Alakamisy 29 avrily 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 16-20
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco