• Tsy hisy ny fiforonana rivo-doza hahakasika mivantana ny nosy amin'ity herinandro ity. Hisy oram-baratra mitsitokotoko anefa amin'ny ilany andrefana sy atsimon'ny nosy mandritra ny herinandro...
  • Tsy mankasitraka ny hivondronan'ny mpanohitra ho iray Andriamatoa Toavina Ralambomahay, mpanao pôlitika mpanolon-tsainan'ny tanàna ao amin'ny Kaominina Antananarivo renivohitra...
  • Hiatraika mivantana amin'ny fiainam-bahoaka ny tetik'asa Laka Iarivo hoy ny sekreteram-panjakàna miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana. Misy tetik'asa maro tafiditra ao fa tsy toeram-pitsangatsanganana fotsiny...
  • Nahazo lalana avy amin'ny fitondrana israelianina hamonjy ny toeram-ponenany ny antsasaky ny mponina any avaratry ny faritr'i Gaza androany maraina, vokatry ny fifanakalozana babo...

  • Rava ny tambazotra lehibe mpanondrana sokatra : olona miisa 19 nahiditra am-ponja eny Tsiafahy sy Antanimora, sokatra 2.700 isa no saika ahondran'izy ireo antsokosoko tany Tanzanie...
  • Hihatra manomboka amin'ity alatsinainy 27 janoary ity ny fampidinana ny saran-dalana ho an'ireo reziônaly eny amin'ny toby fiantsonan'ny fasan-karana, fepetra noraisina taorian'ny fidinan'ny vidin-tsolika...
  • Iray tsy mivaky ny Vovonana Firaisan-kina na eo aza ireo feo mandeha milaza ny fisarahan'ireo mpikambana ao aminy, nilaza ny tsy hanongam-panjakàna izy ireo fa hanala amin'ny toerany ny mpitondra tsy hanohizany intsony ny fampahoriana ny vahoaka...
  • Teratany Palestinianina miisa 200 no navotsotr'i Israely ho takalon'ny famontsoran'i Palestine ny takalon'aina Israelianina miisa 4...

I Masimbavy Angèle Mérici, mpanorina ny fikambanana Ursulines no tsaroana ny 27 janoary. Teraka tao Desenzano, akaikin'ny farihin'i Garde tamin'ny taona 1474 i Angèle Mérici. Fanirian'ireo ray aman-dreniny, izay tena kristianina tokoa, ny mba hahitan'ireo zanany ny fahasambarana ao amin'ny voninahitr'Andriamanitra.

Ny vavaka dia mila fifantohana tanteraka. Ny vavaka dia mila fanazaran-tena, indrindra ny fametrahana ny fiainana amin'Andriamanitra. Mila mifantoka amin'Andriamanitra isan'andro ny olona mivavaka. Ny fandinihana masina, ny tonom-bavaka samihafa dia isan'ny ireo fomba ahafahana mivavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...