• Minisitera maromaro no nahavita ny famindram-pahefana androany... • Misy tombana ataon'ny orinasa Colas sy Poma, mahakasika ny fitaterana teleferika. Miankina amin'ny mpitondra ankehitriny ny fanarenana sy ny fanohizana ny fampandehanana ity fitaterana an-tariby ity, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanana Vaovao sy ny Toeram-ponenana teo aloha... • Miantso ny hisian'ny fakan-kevitra amin'ireo rehetra nitolona ho an'ny fanavaozana, ny Vovonana Amen, mialoha ny handaniana ny tetibolam-panjakana...
♦ Manampy ny fanjakàna Maorisiana amin'ny fanadihadiana atao amin'ilay mpandraharaha Mamy Ravatomanga ny sampam-pitsikilovana Amerikana FBI... ♦ 8 miliara Ariary, avy amina Kaonty amin'ny banky miisa 1.466 hatramin'izao no nogiazan'ny sampan-draharaha misahana ny figiazana ireo harena azo avy amin'ny tsy rariny (ARAI)... ♦ Fokontany Ambolamena, Kaominina Bongatsara : Nitrangàna fahapozinana ara-tsakafo tamin'ny alalan'ny "composé", maherin'ny 40 ireo voatery nahiditra hôpitaly... ♦ Mangetaheta fiadanana izao tontolo izao, hoy ny Papa Léon-XIV, tamin'ny lahateny nataony nandritra ilay fihaonambe iraisam-pirenena momba ny fandriampahalemana...
Ny zokiolona dia ireo 50 taona mihoatra, sokajin-taona vaovao ary toe-pahasalamana vaovao no iainan'ireo olona ireo : fanimpanina, tsy mahare loatra, fahasalamana anaty, fiovana ety ivelany. Ny taona dia mifamatotra amin'ny fahasalamana, misy araka izany ny fepetra raisina mba afahana manara-maso ny fahasalamana ; ilàna fandanalanjana ny sakafo sy ny fihetseham-batana.... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Omena 2 volana hitsaràna azy ireo ministra vao notendrena ary hoesorina avy hatrany izay tsy mahavita ny asany hoy ny filohan'ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara... ♦ Niatrika avy hatrany ny filan-kevitry ny ministra sy ny filan-kevitry ny governemanta ireo ministra vao notendrena omaly... ♦ Tsy mankasitraka intsony ny hitsabahan'i La-Frantsa amin'ny raharaham-pirenena Malagasy, ireo olom-pirenena nanao hetsika teo anoloan'ny masoivoho Frantsay teny Ambatomena, omaly Talata 28 oktobra 2025...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco