Tsy misy dikany ny asantsika raha tsy arahim-bavaka. Ny finoana no harena lehibe indrindra ananan'ny mahantra, ary zava-dehibe ny anambaràna sy anatevenana an'io finoana io. Mpamafy isika ary izay mamafy dia manao izany ao anaty fanantenana. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Alahady 27 jona 2021 — Alahady fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 5, 21-43

Hoy vavaka nataon'ny Papa Fransoa : Ry Ray ô, ataovy miforona eo amin'ny samy mpiasa ny tena firaisankina. Enga anie izy ireo hahay mifampitsinjo, mifankahery... Nankininy manokana tamin'i Md Josefa mpiaro ny mpiasa eran-tany ny mpiasa rehetra manerana ny Nosy. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Sabotsy 26 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao : Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-17

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...