Ny finamanana sy ny fifangaroana anatin'ny vondrona, misy rafitra tsara na ivelany, matetika, dia manampy hanamafy ny fahaizana eo amin'ny fiaraha-monina sy ny fifandraisana amin'ny tontolo misy. Tsy mandefa antsika irery Andriamanitra rehefa maniraka antsika noho izany tsy mety ny manilika ny hafa, natao ifameno isika. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Sabotsy 7 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjinako ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 17, 14-20
♦ Nolanian'ireo Solombavam-bahoaka ny volavolan-dalana izay nankatoavana ilay fampindramam-bola mifandraika amin'ny tetik'asa fanohanana ny fananganana orinasa sy ny sehatra ara-bola, sy ny volavolan-dalana momba ny fankatoavana ny fampindramam-bola mifandraika amin'ny famatsiana ny tetik'asa hampaharitra ny lalana eto Madagasikara... ♦ Tsy hampiova na inona na inona eto amin'ny firenena, na hiova repoblika impiry eo aza isika, raha tsy misy ny fitiavan-tanindrazana, hoy ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, Razafimahefa Herimanana...
Noenjehin'i Ranavalona I ny kristianina ka sarotra ho an'ireo misionera ny nanorina Fiangonana teto Antananarivo. Ny Printsy Rakoto (Radama II) no nanome fahalalahana ny finoana tamin'ny taona 1861, taorian'ny nahafahatesan'ny mpanjakavavy. Nisedra olana maro anefa i P. Cazet, vikera apostolika teto Antananarivo tamin'izany,
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco