♦ Nanetriketrika androany ny fankalazan'ny Arsidiôsezin'Antananarivo ny fetin'i Masindahy Josefa, mpiaro ny Fiangonana maneran-tany. Nifanindran-dalana tamin'izany ny fanamasinana ho diakra sy nanavaozan'ny pretra ny tokim-panompoany... ♦ Olona roa indray no namoy ny ainy, vokatry ny Covid-19, araka ny antotan'isa nivoaka androany. Vaky vava ireo olon-tsotra eny an-dalambe fa efa miparitaka ity aretina ity matoa mirotsaka an-tsehatra amin'ny fanentanana ny Polism-pirenena...
Fanamby lehibe ho an'i Madagasikara ny fahavitan-tena ara-bary. Manao ny ezaka rehetra ahatratrarana ny tanjona ny governemanta ankehitriny ary mba ahafahan'ny tantsaha misitraka ihany koa ny fahafahana rehetra ahafahany mamokatra araka ny nambaran'ny ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono Ranarivelo Lucien...
Ny herisetra miankina amin'ny fahasalamana dia ireo karazana fampijaliana rehetra avy amin'ny fiteny, ny fihetsika ary ny fitondran-tena mahatonga fahavoazana sy fangirifiriana ara-batana, ara-pananahana, ara-tsaina, ara-panahy, misy ifandraisany amin'ny fahasalamana. Tsy maintsy mifampitsinjo ny isan-tsokajiny raha tsy izany dia mifampanao herisetra sy mifamono mivantana na ankolaka eto isika rehetra...
♦ Fotoana nofaritan'ny Diosezin'Antananarivo hankalazana ny fetin'i Masindahy Josefa ny anio, hanatanterahana ihany koa ny fanamasinana diakra sy ny fanamasinana ireo menaka masina hampiasain'ny Fiangonana mandritra ny taona, ary ny fanaovan'ireo pretra ny tokim-panompoana... ♦ Miankina tanteraka amin'ny firenena Afrikanina tatsimo ny tohin'ilay raharaha volamena 73,5 kg, hoy ny Maître Olala. Mbola manjavozavo ihany koa, hoy izy, ny fisamboran'ny Interpol ireo olona telo nomen'ny fitsarana Afrikanina tatsimo fahafahana vonjy maika...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco