♦ Mivory voalohany androany ireo mpikamban'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalampanorenana. Andrasana ny fifidianan'izy ireo izay ho foloha vaovaon'ny HCC... ♦ Nodimandry ny solombavambahoaka an'i Manakara Giscar Andriano, araka ny fampitam-baovaon'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Maniry hatao vaksiny fanefitry ny coronavirus ny 76%-n'ny Malagasy, araka ny vokatry ny fanadihadiana nataon'ny Transparency International... 

♦ Nitokona tamin'ny omaly ireo mpitatitra teto Antananarivo sy ny tany amin'ny faritra sasany. Misy kolikoly ny mbola fahafahan'ny sasany miditra sy mivoaka ny faritra... ♦ Fifidianana Ben'ny tanàna Nosy-be : Voahosihosy ny fahefàna famoahana didiy momba ny fifidianana, hoy ny KMF/Cnoe... ♦ Olona 6 indray no matin'ny Covid teto Madagasikara omaly... 

Talata 13 avrily 2021 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 7-15

♦ Voahosihosy ny didy navoakan'ny fahefana faratampony amin'ny fifidianana, manoloana ny fampiatoana ny fanatanterahana ny didy navoakan'ny Filankevi-panjakana ny 30 marsa lasa teo, hoy ny KMF/CNOE Fanabeazana olom-pirenena... ♦ Mihoatra ny 500 ireo lavo tsy nahatohitra ny Coronavirus, teto Madagasikara.Mitombo isa hatrany ihany koa ireo marary manaraka fitsaboana...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...