Talata 2 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 1-12
♦ Arahanao ato amin'izao vaovao izao ny fanazava'ny Fiangonana Katôlika manoloana ny fivoizana amin'ny hisian'ny hetsika eny Soamandrakizay... ♦ Tolo-kevitry ny antoko MFM amin'izao raharaham-pirenana izao ny fananganana governemanta manana fahefana feno ary hanatanteraka andraikitra mazava... ♦ Mbola tsy mihevitra ny hanakatona sekoly any amin'ireo toerana ahitana trangana Coronavirus kosa ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena...
♦ Miverina tsikelikely amin'ny laoniny ny fiainana andavanandron'ny mponina ao Toliara taorian'ny zava-nitranga tamin'ny herinandro. Tsy maintsy voaloa ny vatsim-pianarana... ♦ Manameloka ny herisetra atao amin'ny mpiasan'ny fahasalamana ny eo anivon'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka... ♦ Voavaha ankehitriny ny olana momba ny fambolem-bary tsy nahafahana nampiakatra araka ny tokony ho izy ny vokatra ho an'ny ety anivon-tany noho ny tsy fahampian'ny phosphor...
Ny fandaharana dia namaritra tetiandro, indrindra amin'ity taona ity dia ny firesahana ny tanjona ara-pahasalamana mahakasika ny vehivavy. Mba hanampiana ny vehivavy ohatra ny firesahana ny antony mankarary kibo ny vehivavy rehefa ao anatin'ny fadimbolana ; satria potika sy miharava ny rindrin'ny tranon-jaza. Misoroka ny fanaintaina ny fisotroana rano mafana...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco