♦ Tanterahana anio manerana an'i Madagasikara ny fanadinam-panjakàna CEPE. Maherin'ny 456 000 ireo mpiadina hiatrika izany, manomboka amin'izao maraina izao... ♦ Andro faharoa ho an'ny adina ara-panatanjahantena Bakalôrea ny anio. Misy amin'ireo mpiadina no nampiseho tsy fahafahana miatrika izany, noho izy ireo mitondra vohoka... ♦ Niverina niasa nanomboka omaly ireo Mpiasan'ny Paositra Malagasy nitokona teny Antaninarenina tamin'ny herinandro teo...
Mila saina mandinika sy mandanjalanja fa tsy sodokan'ny fampisehoana na kabary tsara lahatra, indrindra fa ny zavatra ara-panahy dia ilàna ny finoana ka tsy tokony afangaro amin'ny tombontsoa ara-nofo. Valin-tenin'ny olona tsirairay araka ny feon'ny fieritreretany ny finoana, valin-teny an-kalalahana. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Talata 6 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho; mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 32-38
♦ Miisa 546.635 ireo hiadina CEPE rahampitso manerana ny nosy. Iray amin'ireo no manana toe-batana "autiste"... ♦ Misy amin'ireo mpiadina ara-panatanjahan-tena bakalorea no voamarina fa mitondra vohoka. Olana niverimberina teny amin'ny kianjan'i Betongolo kosa ny fanadinoan'ireo mpiadina ny karatra maha mpianatra sy ny kara-panondrompirenena...
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco