♦ Hitondra fitoniana ny fahafantarana ny marina amin'ny nahafatesan'ny kolonely Ratsimandrava Richard... ♦ Tafakatra 11 ireo mpianatra voasambotra any amin'ny Oniversiten'Antsiranana... ♦ Hisy ny fivoriana iarahana amin'ireo mpandraharaha mba hampidinana hatrany amin'ny 18% ny vidin'ny entana ilaina andravanandro...
Tsy misy ny fifanakaikaizana am-po eo amin' ny Ray aman-dReny sy ny zanaka ka mitarika amin'ny tsy fifampitokisana izany. (10-02-2021)
♦ Mikatona vonjy maika, anio alakamisy, ny fitsarana eny Anosy... ♦ Mitaky ny famotsorana tsy misy hatakandro sy tsy misy fepetra an-dRakomalala Hermann kosa ny KMF/CNOE, Fanabeazana olom-pirenena ... ♦ Efa nandingana ny valo alina ireo matin'ny Coronavirus any Frantsa...
Alakamisy 11 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 24-30
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco