Ny finoana dia ny fitokisana an’Andriamanitra tanteraka. Mampijoro ny fiandrianam-pianakaviana ny finoana an’Andriamanitra. Ny antsoina hoe : tokatrano kristianina dia ny ray sy ny reny ary ny zanaka resy lahatra amin’ny herin’ny sakramenta izay raisiny ka mitandro izany ho ampinga enti-miady amin’ny ratsy sy mijoro ho vavolombelon’ny finoany eo amin’ny fiainany andavanandro. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Sabotsy 1 mey 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, ombaombao ny fitiavanao re izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 7-14
♦ Notendren'ny Papa François ho evekan'ny diôsezin'i Tsiroanomandidy i Mômpera Gabriel Randrianantenaina. Nampahafantatra izany androany ny Ambasadin'ny Fiketrahana Masina eto Madagasikara... ♦ Hiteny amin'ny vahoaka Malagasy indray ny Filoham-pirenena amin'ny alahady izao, hampahafantatra ireo fepetra hampiharina, iadiana amin'ny Covid-19 ao anatin'ny 15 andro manaraka...
Ny fiantsoana ho amin’ny fanambadiana dia voasokitra ao amin’ny toetra voa-Janahary maha-lehilahy sy maha-vehivavy, raha vao navoaka avy tao amin’ny tanan’ny Mpahary izy ireo. Nohariana mba hifameno ny lehilahy sy ny vehivavy. Manamafy izany ny Soratra Masina : “Tsy tsara raha irery ny lehilahy” (Jen 2,18).
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco