Nihena ny herin'ilay rivodoza Eloïse, tany amin'ny Distrikan'i Maroantsetra no nisy ny foibeny androany tamin'ny 04 ora maraina. Hamakivaky an'i Sofia sy i Boeny ny sisan-drahona miaraka aminy anio tontolo. Rahampitso no tombanana hivoaka an-dranomasina io rivodoza io.
Alarobia 20 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 1-6
♦ Niditra an-tanety ao amin'ny Distrikan'Antalaha ilay rivodoza Eloïse tatsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Niakatra ho 100km/ora ny rivotra entiny, arahana tafiotra 140km/ora... ♦ Filohan'ny Antenimierandoholona vaovao, mandimby an'Andriamatoa Rivo Rakotovao, ny Loholona Razafimahefa Herimanana, kandidà tokana natolotry ny vondrona IRMAR...
♦ Nahazo filoha vaovao ny Antenimieran-doholona eny Anosikely. Lany ho filohan'ny andrim-panjakàna Andriamatoa Herimanana Razafimahefa... ♦ Miha-manakaiky hatrany ny morontsirak'i Madagasikara ilay rivo-doza Eloise any amin'ny ranomasim-be Indiana. Anio alina izy no hiditra an-tanety any amin'ny distrikan'Antalaha...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco