Talata 16 jona 2020 — Herinandro faha-11 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 43-48 — Izay mitandrina ny didin'i Kristy, no manana ny fitiavana an'Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.
♦ Olona 18 vaovao indray no voatily omaly fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-18, araka ny tatitra androany... ♦ Mitohy hatrany ny fandraisan'ny eo anivon'ny CCO Covid-19 ireo fanampiana avy amin'ny malala-tanana... ♦ Namarana ny tatitra nataon'ny Governemanta teo anivon'ny Antenimieram-pirenena ny Praimisitra Ntsay Christian androany...
♦ Ahemotra ny 14 ôktôbra ny fankalazana manetriketrika tokony hatao ny 26 jona ho avy izao, hoy ny Filohan'ny Repoblika... ♦ Mbola velon-taraina amin'ny tsy fahazoany fanampiana ao anatin'izao hamehana ara-pahasalamana izao ireo mpandraharaha sy mpampianatra ao amin'ny Fikambanan'ireo Talen-tsekoly tsy miankina eto Madagasikara... Ilaina ny fanapritahana ny fanaovana fitiliana any amin'ny faritra mba hahafahana mamoaka voka-pitiliana tena azo antoka, hoy ny Filoha lefitry ny CFM avy any Fianarantsoa...
Tsy afaka nanatanteraka ny fankalazana ny Alahadin’ny Vatana aman-dRà Masin’i Kristy tamina paroasy iray amin’ny diosezy iadidiny ao Rome i Papa François, omaly, fa nijanona tao amin’ny Bazilikan’i Masindahy Piera.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco