• Handray anjara amin'ny fihaonana an-tampon'ny fanjariantsakafo ho an'ny fitomboana na ny sommet nutrition for Growth (N4G) hatao any Frantsa ny 27 - 28 marsa izao ny Malagasy...
  • Fandaharan'asan'ny firenena mikambana ho an'ny fampandrosoana na ny PNUD : Nampahafantra ireo asa niarahany tamin'ny fitondram-panjakàna ny taona 2024 sy ny asa mbola ho tanterahina amin'ity taona 2025 ity...
  • Mandray andraikitra mitady ny marina momba ny antony namonoana ny Maire Narindra ny fitondram-panjakàna ary nomena baiko hentitra ny mpitandro filaminana hamerina ny fandriam-pahalemana hoy ny Praiminitsra Ntsay Christian...
  • Nosokafana indray ny fanadihadiana amin'ny fikarohana ilay fiaramanidina MH370 an'ny kaompaniam-pitanterana an'habakabaka Malaysia Airlines ataon'ny orinasa tsy miankina Ocean Infinity, 11 taona aty aoriana...

26 febroary — I Nestor dia eveka maty martiry tamin'ny taona 251. Tao Magydos i Nestor no nitory ny Vaovao Mahafaly, Turquie amin'izao fotoana izao io toerana io. Ny Amperora Dèce no najaka tamin'izany ary maro ireo kristianina novonoina nandritra ny nanjakany ny taona 249 hatramin'ny 251.

Vokatry ny Batemy no nahatonga antsika ho isan'ny fianakavian'Andriamanitra, Andriamanitra Trinite Masina. Nanova ny maha izy antsika io, nanokatra ny lalam-piainana mampiombona antsika hatrany amin'Andriamanitra. ... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

26 febroary 2025 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-39)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...