♦ Tranga 18 vaovao indray no hita tamin'ireo olona mitondra ny Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Mbola mitombo ary maro ireo olona mararin'ny tazomoka mahery any amin'ny distrikan'i Betroka. Tsy ampy ny fanafody fitsaboana fa fanafody fanefitra no nalefan'ny fitondram-panjakana... ♦ Toherin'i Madagasikara ny fikasan'i Frantsa hametraka Ivo-toerana momba ny tontolo iainana ao amin'ny Nosy Sambatra...
♦ Manentana ny Malagasy mba hisotro ny tambavy CVO ny Filoham-pirenena, hiarovan-tena amin'ny fahazoana ny Coronavirus... ♦ Hanao fihaonam-be any Fianarantsoa handinihana ny fomba hanarenana ny tontolon'ny fanabeazana aorian'ny ady atao amin'ny valan'aretina ny Sempama... ♦ Dinihina eny amin'ny Antenimieran-doholona amin'ity herinandro ity ny volavolan-dalana momba ny famokarana biôlôjika...
♦ Hamafisina ny fampiharana ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina Coronavirus amin'ny faritra ahitana izany... ♦ Tafakatra 304 ny isan'ny olona voatily ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Minatso ny olom-pirenena tsy an-kanavaka mba hanaja ny fepetra ara-pahasalamana ampiharin'ny fitondram-panjakana ny Filohan'ny FFKM...
Alatsinainy 18 mey 2020 — Herinandro fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 26 — 16, 4 — Natsangan'Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin'ny Hazofijaliana noho isika.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco