MIkaroka ny fomba hampahomby ny famokaran,a ara-pambolena hoan'ny eny ambanivohitra ny FARMADA. Isan'izany ny fametrahana ny marika manokana hoan'ireo ivon-toera-panofanana mivondrona ao aminy. Tanjona ny hantsaràna ny tolotra momba ny fanofanana hoan'ireo ivon-toerana ao aminy. Fanadihadiana.

Feno 50 taona katroka androany 13 desambra ny nanamasinana ho pretra an'i Jorge Mario Bergoglio izay lasa Papa François ankehitriny. Fanamasinana, 4 andro mialoha ny nanamarihany ny faha-33 taonanahaterahany.

Ankalazaina isaky ny 12 desambra ny fetin'i Notre-Dame-de-Guadalupe. Nitarika ny Eokaristia Masina ho fanamarihana izany tao Vatican, omaly, i Papa François izay Papa latino-amerikanina voalohany.

Zoma 13 desambra 2019 - Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 16-19.
Avia ry Tompo, vangio am-piadanana izahay ka hifalianay amin'ny fo lavorary.

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...