• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

♦ Ny taranja Anglisy no hatrehan'ireo mpiadina miatrika ny fanadinam-panjakàna bakalôrea ankapobeny amin'io tolak'andro io raha ny taranja filôzôfia no nanokafana ny fanadinana ny maraina teo... ♦ Tsy mendrika an'i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy ny mpitondra manamaivana sy tsy mahafehy ny sehatry ny fahasalamana ary tsy miraharaha ny aina maro nafoy hoy ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena avy amin'ny fanoherana. Tsy niandry ela ny vali-kafatra avy amin'ny mpitondra tenin'ny governemanta momba izany... ♦ Nentina niatrika fanadihadiana eny amin'ny borigady misahana ny heloka bevava eny Fiadanana androany maraina i Fenohasina...

♦ Tanterahina manomboka androany manerana ny tanin'ny repôblikan'i Madagasikara ny fanadinana Bakalôrea ankapobeny sy teknika, nahitana fitomboany ny isan'ireo mpiadina bakalôrea ankapobeny tamin'ity taona ity... ♦ Mangataka ny hanesorana ireo tompon'andraikitra nanao tandrevaka ka nahatonga famoizana ain'olona maro teny Ambohimalaza ny Transparency International. Hirosoana ny fanadihadiana ny tompon'ny fety sy ny fianakaviany hoy ny Ministry ny Fitsaràna...  ♦ Drafi-panarenana ny orinasa JIRAMA : Hampandraisana anjara feno amin'ny fampidirana solontenan'izy ireo anatin'ny kômity fanarenana ny mpiasa hoy ny fanambarana nataon'ny Ministeran'ny Angovo... 

Hitondra ny jiferiny amin’ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra indray ny Arofanina anio. Ady iraisan’ireo ray aman-dreny mampiana-janaka ny fampidirana mpianatra isaky ny taom-pianarana vaovao. Mila fiomanana ara-bola matanjaka mantsy ny fiatrehana azy io, na ho an’ireo mandefa ny zanany amin’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana izany na ihany koa ho an’ireo manana ny fahafahana mandefa ny ankizy amin’ny sekoly tsy miankina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...