Maro ireo daty tsy azo adinoina izay mifamatotra amin'ny tantaran'ny firenena, tokony hatao mitovy ny fanamarihana azy ireny satria samy manana ny hasiny. Ny fahalalana ny tantara sy ny zava-nisy dia isan'ny fototra afahana mampandroso ny firenena. Ny fahiaza-mihaino dia afahana misoroka ny korontana sy olana maro amin'ny sehetra rehetra. Na mafy aza ny tosiky ny Saina vaotr'olombelona, tsy hasolo ny olombelona ireny, izay manana fihetsepo... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦Hotokanana mandritra ny dian'ny Filohan'ny Repoblika ao amin'ny Faritra Atsimo-Andrefana ny digy Hiarovana ny tanànan'i Toliara amin'ny tondra-drano. Natao tao Toliara omaly ny filan-kevitry ny ministra... ♦ Nolanian'ny Solombavambahoaka omaly ny tolo-dalàna manitsy ny andininy sasantsasany amin'ny lalàna nivoaka ny taona 1960 mifehy ny halatr'omby. Mihamafy ny sazy ho an'ireo tratra mangalatra omby... ♦ Nahiditra am-ponja eny Antanimora alina ireo olona miisa 3 voarohirohy tamin'ny famonoana an'i Raissa, novonoina tamin'ny fomba feno habibiana ; vehivavy 68 taona ny iray ary ankizilahy 16 taona kosa ny roa hafa...

15 mey — Masindahy Isidore tsarona izao dia ilay niaina teo anelanelan'ny taona 1070 ka hatramin'ny 1130. Teraka nanodidina ny taona 1070 teo mantsy i Isidore, tsy mba nanam-bola aman-karena ny ray aman-dreniny fa ny oha-pitondran-tena tsara, sy ny finoana, ary fahatahorana an'Andriamanitra no nampianariny azy.

♦Notanterahana androany tany Toliara ny filan-kevitry ny ministra izay notarihan'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... ♦ Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena androany ilay tolo-dalàna izay manitsy ny andininy sasantsasany tamin'ilay lalàna nivoaka ny taona 1960 mahakasika ny halatr'omby... ♦ Mitana anjara toerana lehibe amin'ny tsenan'ny karbôna ao amin'ny Faritra Sofia ny ala honko, izay mirefy 50.000 Hektara... ♦ Nivavaka ho an'i Papa Léon-XIV, tao amin'ny Chapelle Pauline ireo mpitondra fivavahana Tatsinanana manaraka ny fombam-pivavahana Copte, tamin'ny alatsinainy teo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...