Alahady faha-3 — Taona D fiavian’ny Tompo : Tsy mba mandao andriamanitra, fa fitiavana ; Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho. Ny alahady fahatelo amin'ny fiavian'ny Tompo dia antsoina hoe " alahadin'ny hafaliana", manamafy izany ny tononkira fidirana amin'ity alahady ity manao hoe "Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo! Eny, averiko indray mifalia! satria efa akaiky anie ny Tompo! ". Ny filipianina dia fiangonana natsangan'i Masindahy Paoly, izay nohankaherezin'ity farany mba hifaly mandrakariva ao amin'ny Tompo. Ohatra lehibe ho antsika i Masindahy Paoly, mifaly foana na misy sedra, ary miaina ny finoana, izay koa no maha kristianina...
Ny aretina "tefoedra" dia antsoina ihany koa " salmonellose", aretina efa ela no nisy, izy mety hafaty raha toa ka tsy voatsabo tsara. Ao amin'ny atin'ny olona (afero) no mitoetra ny otrik'aretina mahatonga ny tefoedra. Aretina misy mandavantaona, mifindra amin'ny alalan'ny fiparitahan'ny tay misy otrik'aretina ny tefoedra (lalitra, rano tsy voadio, tanana maloto). Ny fotoana fihotrehany dia 8 hatramin'ny 14 andro... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco