19 ôktôbra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 8-12)

♦ Iray volana mialoha ny fampielezan-kevitry ny fifidianana Ben'ny Tanàna isika izao. Kandidà roa na telo, amin'ireo fito ao an-drenivohitra, no hany manomboka miseho vahoaka tato ho ato... ♦ Mitaky ny hampitsaharana ilay tatao 5% amin'ny faktioran'ny mpanjifa tsy voaloa ara-potoana ny PMH. Filaharam-be no hita eny amin'ny biraon'ny Jirama, izay heverina ho vokatr'io tatao 5% io... ♦ Notohanan'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana ny rafitra misahana ny fahasalamana eto amintsika. Nisy ny lanonana ôfisialy mifandraika amin'izany teny Androhibe androany...

♦ Misokatra ho an'ny taom-pianarana 2024-2025 ny Oniversite Don Bosco ASJA, ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga... ♦ Antoky ny fiainana mandrakizay ny Fanahy Masina, hoy ny fampianaran'ny Ray masina tamin'ny alarobia 16 ôktôbra 2024... ♦ Manana ny anjara toerany avokoa ny olona tsirairay avy, ao amin'ny fianakaviambe maneran-tany, ka tokony tsy hisy olona iharan'ny fanilihana...

16 oktobra, andro eran-tany ho an'ny sakafo. Mandray anjara goavana amin'izay famokarana sakafo izay ny famokarana tantanam-pianakaviana, dia ireo tantsaha 80% amin'ny mponina eto Madagasikara. Miantoka ny 60% amin'ny sakafo eto Madagasikara ny malagasy tantsaha. Miantsoroka ny 70% mahery amin'ny vokatra aondrana. Miantoka ny 26% amin'ny Famokarana Faobe eto Madagasikara na ny PIB ny sehatr'asan'izy ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...