Ilain'ny tanora ny mianatra sy mifehy ny fiteny anglisy, indrindra amin'izao vanim-potoana iainantsika izao. Tanora vitsivitsy no mijoro vavolombelona manondidina ny tontolon'ny fianarana teny anglisy. Tanora tovovay iray, Ramatoa kely Harifetra, mpampianatra ity taranja ity no mifampizara amintsika ny hasarobin'izany fahaizana teny anglisy izany sy ny toro-paika mba hitiavana sy hahaizana azy haingana.

“Onena i Jesoa nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry” (Mt 9,36)

Ho an’ny mpitondra sy ny vahoaka mpiray tanindrazana tsy ankanavaka ary ny
kristianina katôlika.

Ho aminareo anie ny fiadanana!

  • Tsy natao hampizarazara na hifandrafiana ny tsy fitovian-kevitra, fa dingana iray hahafahana mampandroso, hoy ny FFKM...
  • Iray amin'ireo aretina mahazo ny voafonja ao Antanimora ny aretin-koditra lagaly, amin'izao andro mafana izao...
  • Nihena any amin'ny 50% ny vokatra letchis, ho an'ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo tamin'ity taona ity...

Fanamby maro no manoloana ny sehatry ny fanabeazana ankehitriny noho ny firoboroboana sy ny fandroasoan’ny teknolojia. Etsy andaniny maro ny tombotsoa azo avy amin’izy ireny, fa etsy ankilany kosa raha ny fanehoan-kevitra  amin’ny mpandinika dia fantatra fa mbola banga ny fanabeazana eto Madagasikara, fa indrindra amin’izao fotoana mampiazakazaka ny tonolom-pivoarana izao. Misy ezaka sy andriakitra lehibe miandry ny Ray aman-dReny, satria ny fototry ny fanabeazana dia mianga avy any an-tokantrano. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...