• Laharana faha-83 i Madagasikara amin'ny fampiharana ny demokrasia, araka ny fanadihadiana nataon'ny Economist Intelligent Unit. Tsy niala lavitra amin'ny naoty 5/10 isika hatramin'izay... • Manahy ny fandrodanana ny tranony ato anatin'ny 48 ora ireo mponin'i Ivato, voakasiky ny fanitaran-dalana. Nanomboka androany ny asa fanotofana lalana mihazo an'i Ivato, hoy izy ireo omaly... • Anio no hivoaka ny lisitra mirakitra ireo mpilalao handrafitra ny Barea, hiatrika ny fifanintsanana Mondial 2026...

12 marsa — Mety ho gaga ianao fa matetika miverimberina ny anarana hoe Grégoire. Maro tokoa ireo olomasina mitondra ny anarana hoe Grégoire fa amin'ity andro anio ity dia i Grégoire Lehibe na ny papa Grégoire le Grand no ankalazain'ny Fiangonana.

Tamin'ny fitsanganan-ko velona no namalian'ny Ray ny vavak'i Jesoa nandritra ny fijaliany ; ny vavaka nataon'i Jesoa dia azontsika alina tahaka noho vavaka nataony izay feno fifandraisana sy fahatokisana lalina ny Ray, ary vavaka ho an'ny olona rehetra. Tiantsika i Jesoa, porofon'izany ny nanolorany ny aina ... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

• Mitana ny laharana faha-83 amin'ireo firenena miisa 167 nanaovana fanadihadiana ny firenena malagasy, amin'ny fampanjakana ny demokrasia... • Mbola manjaka ny ady tany sy ny fibodoana tany ankehitriny... • Voatana ny datin'ny androany 11 marsa 2025, nanombohana ny asa fanotofana ny lalana mihazo ny tananan'i Ivato...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...