Tamin'ny 30 avrily teo no nifarana ny fanamarihana ny andro afrikanina ho an'ny vaksiny. Misy ny tetiandro napetraky ny Ministera ka : ny zaza voateraka hatramin'ny 14 andro dia hatao vaksiny POLIO ; latsaky ny 11 volana dia atao vaksiny BCG... Misy aretina maro voasorokin'ny vaksiny raha voaaraka tsara ireo tetiandro : tetanosy, kitrotro, lefakozatra... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Ambana ho an'ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety ankehitriny ny firoboroboan'ny teknôlôjian'ny fifandraisana ka nipoiran'ny saina voatran'olombelona hoy ny mpanao gazety Lova Rabary... ♦ Hitafa amin'ny vahoaka Malagasy ny filohan'ny repôblika Andry Rajoelina rahampitso... ♦ Sarotra ny hanafoana ireo taxi-bicyclette izay efa miasa ao an-drenivohitra ao fa ny faritra hiasany no tokony ho ferana, hoy Mahery Miller, mpanolontsainan'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra... ♦ Mifanentana hanao hetsika goavana anio sabotsy ireo antoko pôlitika any Mali...
♦ Mihemotra ny laharan'i Madagasikara eo amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Very toerana 13 isika raha ampitahaina ny laharana tamin'ny taona-dasa... ♦ Sarotra ny hilaza fa tena malalaka amin'ny fanatanterahana ny asany ny mpanao gazety eto Madagasikara, indrindra hatramin'ny fotoana nampiroborobo ny tontolo nomerika, hoy James Ramaroson, filohan'ny OJM teo aloha... ♦ Tsy afa-bela fa voatazon'ny fitsaràna ambony, ny 30 volana sazy mihantona, ho an'ny mpitarika ny Randrana Sendikaly sy ny filohan'ny Seces sampana Antananarivo... ♦ Efa tafapetraka eo amin'ny tafon'ny Chapelle sixtine, hanaovana conclace ny cheminée hamantarana ny voka-pifidianana Papa...
03 mey — I Masindahy Philippe dia teraka tao Bethsaïde akaikin'ny farihy ao Tiberiade toa an-dry Pierre sy André. I Masindahy Jacques resahina eto dia ilay antsoina hoe : Jacques le Mineur, na azo atao amin'ny teny malagasy hoe : Jacques zandriny. Mba hanavahana azy amin'i Jacques le Majeur no hiantsoana azy tahaka izany.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco