♦ Efa any amin'ny Diôsezin'Ambatondrazaka i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, izay voatendry ho Evekan'Ambatondrazaka... ♦ Navaozina ny kiôska momba ny torohay ara-pitsarana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo... ♦ Manome tanana amin'ny famatsian-drano ao Toamasina amin'ny alalan'ny JICA i Japon...

Nanentana ireo kristiana tany Tesalonika i Md Paoly ny mba hivavahan'izy ireo lalandava ary hisaotra amin'ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesoa ho azy ireo. Ny irin'ny Tompo amintsika dia ny hisaorana Azy mandrakariva. Mila faharetana ny mivavaka. Mampiavaka ny Taratasy nosoratan'i Md Paoly dia mazàna manomboka sy mifarana amin'ny fisaorana...  Katesizy momba ny vavaka fisaorana, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

11 ôktôbra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 15-26)

♦ Nanetriketrika ny fitsenana ny Eveka vaovaon'ny Diôsezin'Ambatondrazaka omaly. Tomefy olona tany Vohidiala, toerana nandraisana azy voalohany... ♦ Napetraka ny “Centre de Commandement Opérationnel”, handrindra ny asa famatsiana rano ho an'Antananarivo. Hifarimbona ao anatin'izany ny Governemanta manontolo... ♦ Najoro ny sampana miaro ny mpanao gazety eto Madagasikara. Natao izany ho fiarovana azy ireo amin'ny teritery sy ny herisetra samihafa amin'ny fanatanterahana ny asany...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...