Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 2 taona. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombotsoa ny mpitarika Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...

♦ Mikasa ny hamory ireo mpiara-dia aminy eny amin'ny Magro Tanjombato indray rahampitso ny Vovonana Firaisankina. Volaza ho anton'izany ny fandavana ny firotsahan-kofidian'Andriamatoa Ravalomanana Marc... ♦ Nitrangana fanendahana androany vao maraina teny akaikin'ny sekoly iray eny Andohatapenaka. Lasibatra tamin'izany ny mpivarotra iray eny amin'ny 67Ha... ♦ Isan'ireo horonan-tsary hahazo laka ao amin'ny Festival iraisam-pirenena momba ny horonan-tsary atao ao Lusaka manomboka androany, ny sangan'asan'i Ary-Misa Rakotobe...

Tompon'andraikitra ny tsirairay mba tsy hanao kolikoly amin'ny lafiny ara-pahasalamana. Samy tompon'andraikitra amin'ny izay mety ho kolikoly ny mpanome sy ny mpandray. Ny kolikoly dia fampiasana vola na fananana hividianana ny rariny na hanaovana tsindry azo lena ny fiaraha-monina ; fanomezana tombontsoa olona manokana... Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

♦ Antony iray mampihisatra ny fikarakarana ny taratasy amin'ny firotsahan-kofidiana ho Ben'ny Tanànana ny fahatapahan-jiro eny amin'ny biraom-panjakana. Voatery miverina amin'ny andro hafa ireo tsy mahandry ny fiverenan'ny jiro... ♦ Misy ny kolikoly eo anivon'ny orinasa JIRAMA, manoloana ny fividianana fitaovana fampidiran-drano, raha ny tatitra voarain'ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Ambany ny tahan'ny fitiliana ny tsimokaretina VIH-Sida eto Madagasikara. Nampiseho fihetsika modely amin'izany fitiliana izany ny mpanao gazety...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...