Manasitrana antsika ny vavaka tahaka an'i Bartime sy ireo marary maro hafa sitrana. Ny fandinihana kristianina dia mitondra antsika amin'ny resadresaka amin'i Jesoa. Ny fandinihana dia firosoana hihaonana amin'Andriamanitra. Maro no nilaza fa asan'ny fo ary famolavolana ny fo ny vavaka. Ny fandinihana dia maka andalan-tSoratra Masina iray ho entina mandini-tena, hakana voka-tsoa ara-panahy. Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

Alahady fankalazana ny Batemin’i Kristy : i Jesoa natao Batemy ; tandindon’ny batemintsika. Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: "Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy." Ny Batemin'ny Tompo dia azo lazaina fa mbola fisehoan'ny Tompo ihany koa, maneho ny fiatombohan'ny fiainan'ny Tompo amin'ny fiaraha-monina manodidina Azy ; mifarana eto ihany koa ny fankalazana ny Noely, nankalazana an'i Jesoa zazakely. Ny Batemy nataon'i Joany dia amin'ny rano fa ny an'i Kristy dia amin'ny Fanahy Masina sy ny afo. Ohatra ho antsika i Joany amin'ny asa fitoriana, nanomana ny fon'ny vahoaka handray an'i Kristy, toy izany ihany koa ny asa miandry antsika Kristianina...

  • Mihamanantona hatrany ny morontsiraka avaratra atsinanan'ny nosy ilay rivo-doza Dikeledi atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Hitondra orana sy rivotra mahery izy ka ahiana ny hisian'ny tondra-drano, fiakaran'ny rano any amin'ny tapany avaratry ny nosy...
  • Tsy azo ekena hoy ny solombavambahoaka IRMAR manana ny maro an'isa eny Tsimbazaza ny fanimbàna ny ezaka efa vitan'ny Fanjakàna manoloana ny fanambaràn'ny mpanohitra, ny Firaisan-kina sy ny RMDM, tamin'ny herinandro lasa teo...
  • Nahafahan'ny tantsaha nahatakatra ny tombontsoa amin'ny voly vary RIZ-HYBRIDE ny filan-kevitry ny ministra voalohany nampitaina mivantana tamin'ny Haino aman-jery hoy ny filohan'ny vaomiera misahana ny tontolo ambanivohitra eny amin'ny Antenimieram-pirenena, hoy ny solombavambahoaka Razafindrabary Ricahard...

  • Hiditra an-tanety eo amin'ny Distrikan'i Vohemar na ao Antsiranana-II ilay rivo-doza atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana DIKELEDI anio hariva. Tany amin'ny 275 km atsinanana somary avaratra-atsinanan'i Vohemar no nisy ny foibeny tamin'ny 5 ora maraina teo...
  • Lôjika hoy ny KMF/Cnoe raha misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ny mpanao pôlitika momba ny didy navoakan'ny Fitsaràna nahafahana niditra tao amin'ny lisitry ny mpifidy (Ordonnance). Samy manana ny famakiana ny lalàna misy eto amintsika izy ireo...
  • Norobain'ny jiolahy miisa 3 nirongo basy , omaly tamin'ny 1 ora tolak'andro, ny tranom-barotra iray tao amin'ny tsenan'Ankirihiry-Toamasina...
  • Miantso ny kristianina katôlika hankahery an'ireo niharan-doza noho ny firehetan'ny tanàna ny Arsevek ao Los Angels ; 11 no maty vokatr'ity loza ity...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...