I Masindahy Raymond de Penyafort no ankalazaina ny 07 janoary. Teraka tokony ho tamin'ny 1175 tao amin'ny lapam-pianakaviana tao Vilafranca de Penedès akaikin'i Barcelone i Raymond. Fianakavian'ny mpanjaka tao Aragon sy ny Comte tao Bercelone izy.

Mila kaliana sy tandremana tsara ny fanaovana ny "méditation". Mila mitandrina tsara satria betsaka loatra ny karazam-pivavahana no miresaka momba azy io ary manao fampiharana. Mazàna ny "médiation" fanaon'ny tandrefana no tena maro mpanao, faniriana hahita fiadanam-po, satria eritreretina hanangonana hery, hitondra herim-po hiatrehana ny hitakitaka tsinahy, ny ankivy... Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

  • Niakatra fampanoavana androany i Jean Luce Randriamihoatra, voarohirohy tamin'ilay resaka voka-pifidianan'ny CENI...
  • Nisy namaky ny trano misy ny "émeteur" an'ny fahitalavitra tsy miankina Real TV eny Ambohimitsimbina. Toerana voaambina ary tsy azon'iza n'iza idirana anefa eny an-toerana hoy ny fampitam-baovao...
  • Tsy hitsahatra hiakatra ny vidim-piainana amin'ity taona 2025 ity, hoy ny mpahay toe-karena sy fitantanana ny Profesora Ralison Roger...
  • Mbola nanamafy ny filohan'i Azerbaidjan androany fa i Rosia no tompon'antoka tamin'ny fianjeran'ny fiaramanidina tany Kazhakstan ; tsy mbola naneho hevitra momba izany fiampangana izany ny Rosianina...

  • Hiavaka ny fihaonamben'ny tanora Afrikana Youth Connect Africa andiany faha-8 izay atao eto Madagasikara amin'ity taona 2025 ity...
  • Mety handamoka ny tetik'asa hanapariahana ny voly vary safiotra eto Madagasikara satria tsy mbola resy lahatra amin'izany ny tantsaha...
  • Mpianatra an-jatony no tsy manan-kialofana vokatry ny fahamaizan'ny trano fonenan'ny mpianatra any amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa ny sabotsy alina teo...
  • Nandray ôfisialy ny asa maha filohan'ny Federasiônan'ny Fivondronamben'ny Eveka azy, any Azia ny kardinaly Filipe Neri Ferrao ny voalohan'ny volana janoary teo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...