Alahady aorian’ny nahaterahan’ny tompo - fetin'ny fianakaviana masina : fianakaviana mifankatia, lanitra ety an-tany ; Hanjaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’i Kristy; ary hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy. Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny zanaka, mitondra hafaliana sy hasambarana eo amin'ny mpivady. Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny mahazanaka antsika. Tokony hotsaroin'ny ray aman-dreny fa tsy izy ireo no tompon'ny zanaka fa adidiny no mampahafantatra ny antson'Andriamanitra ao amin'io zanany io. Manasongadina ny fifandraisan'ny zanaka sy ny ray aman-dreny ny Eglizy ary manentana ny tsirairay haneho fifanajana, fifankatiavana... 

  • Mbola misy hatrany ny fikasana hanondrana antsokosoko ireo harem-pirenena malagasy. Nahitàna izany indray omaly ny tany Mahajanga. Tsy hisy ny fandeferana ho an'ireo izay tratra, hoy ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovan-jafy...
  • Efa tena mandrefy ireo tompon'andraikim-panjakàna mihitsy ireo mpanao trafika hoy ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ; takian'izy ireo ny hampiharana sazy enjana ho an'ireo izay tratra...
  • Nanana ny toerana lehibe ary nisy fiatraikany mivantana ny fiaraha-miasan'ny fikambanana alemanina misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena na ny GIZ sy Madagasikara...
  • Efa manomana tolo-dalàna hanoàna ny famotsoran-keloka ny filoha teo aloha Macky Sall ny governemanta Senegale, hoy ny praiministra Ousmane Sonko...

  • Mbola hitohy ato anatin'ny 2 andro ny fisitrahan'ny faritra maro orana tandrifindrahona mitsitokotoko ary arahin-kotroka hoy ny Météo Malagasy. Misy rindrin-drahona mitoetra koa any atsimo atsinanan'i Madagasikara...
  • Miditra an-tsehatra amin'ny fifehezana ny doro tanety any amin'ny Faritra Fitovinany ny BNGRC. Mifanindran-dalana amin'izany koa ny fijerena vahaolana miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka...
  • Maro ireo nisafidy ny hisora-panambadiana amin'izao volana farany amin'ny taona izao. Tafakatra 100 izany ho an'ny ao amin'ny boriborintany voalohany ao Antananarivo-renivohitra...
  • Miisa 27 isa ireo voaheloka ho faty any Vietnam vokatry ny trafika amin'ny zava-mahadomelina teo anelanelan'ny volana marsa 20218-novambra 2022...

  • Hiara-hiasa, hifampizara antontam-baovao, ny ONE sy ny BNGRC, ary ny ONE sy ny SMA, mba hahafahana mandray fepetra momba ny fiarovana ny tontolo iainana. Tontosa teny Antanimora ny sonia fiaraha-miasa amin'izany...
  • Hisitraka orana tandrifindrahona arahin-kotroka ny faritra maro eto amin'ny nosy, ao anatin'ny telo andro ho avy, manomboka androany. Hidina ny mari-pana mandritra izay telo andro izay, indrindra amin'ny afovoan-tany...
  • Hitondra fampandrosoana ny tetik'asa Base Toliara, hoy ny Ben'ny Tanàna Dédé Vita Sidson. Ny tanànan'i Toliara izay efa nitondra ny anjara birikiny namaritra ny toerana hametrahan'ny orinasa ny fotodrafitr'asany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...