Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 8, 1-8)

Nitety tany nitory ny tenin’Andriamanitra izy ireo.

Androtry ny nahafaty an’i Etiena ihany,
dia nisy fanenjehana mafy tamin’ny Eglizy tao Jerosalema,
ka niely tany Jodea sy Samaria ny mpianatra rehetra,
afa-tsy ny Apôstôly ihany.
Nisy mpivavaka tsara sasany nandevina an’i Etiena
sady nitomany azy fatratra.
Fa i Saoly kosa nanenjika ny Eglizy;
nidirany nosarihany tany an-trano na lahy na vavy,
ka nataony an-tranomaizina.
Ry zareo niely tamin’izay,
dia nitety tany nitory ny tenin’Andriamanitra.
Ary i Filipo nidina tany an-tanànan’i Samaria,
ka nitory an’i Kristy tamin’ny olona tao.
Nandre sy nahita ny fahagagana nataon’i Filipo ny vahoaka maro be,
ka nihaino tsara izay nolazainy.
Fa maro ny olona azon’ny fanahy maloto
no nivoahany tamim-pikiakiahana mafy;
betsaka ny malemy sy ny mandringa no sitrana koa;
ka hafaliana moa izany no tao amin’izany tanàna izany!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 65, 4-5. 6-7a

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo.

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo!
Antsao ny Anarany be voninahitra!
Miderà Azy, ka miantsoa hoe:
Eny, mahatahotra Ianao, ry Andriamanitra!

Miankohoka aminao ny tany tontolo,
sy miantsa ny Anaranao, sy miantsa Anao!
Tongava hizaha ny asan’Andriamanitra!
Mahatahotra ity nataony ho an’ny zanak’olombelona!

Ny ranomasina novany ho tanety;
ny ony novakina toy ny tany maina!
Koa aoka isika hifaly aminy!
Ny heriny manjaka mandrakizay!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 35-40)

Izao no sitra-pon’ny Raiko: Mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka, ka mino Azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Izaho no mofon’ny fiainana;
izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony,
ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay.
Fa efa voalazako taminareo,
fa nahita Ahy ianareo, nefa tsy mino.
Izay rehetra omen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy,
ary izay manatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany,
satria Izaho no nidina avy any an-danitra
dia tsy ny hanao ny sitra-poko,
fa ny sitra-pon’izay naniraka Ahy.
Ary izao no sitra-pon’izay naniraka Ahy,
dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy,
fa ny mba hananganako azy amin’ny farandro.
Satria izao no sitra-pon’ny Raiko izay naniraka Ahy,
dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay
izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino Azy,
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 7, 51-59)

Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko.

Tamin’izany andro izany,
hoy i Etiena tamin’ny vahoaka sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna:

“Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo aman-tsofina,
manohitra ny Fanahy Masina ianareo;
tahaka ny nataon’ny razanareo ihany no ataonareo koa.
Zovy moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo?
Novonoiny hatramin’izay nilaza rahateo
ny hahatongavan’Ilay Marina aza;
ary ankehitriny indray ianareo dia namadika sy namono Azy,
dia ianareo izay nahazo ny Lalàna tamin’ny alalan’ny Anjely,
kanefa tsy nitandrina azy.”

Nony nandre izany izy ireo dia nisafoaka ny fony,
ary nihidy vazana taminy izy.
Fa i Etiena kosa feno ny Fanahy Masina dia nibanjina ny lanitra,
ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy i Jesoa
nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra,
ary nanao hoe:

“Indro hitako ny lanitra misokatra mbamin’ny Zanak’Olona
mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra.”

Fa indray nihoraka izy rehetra
sady nanentsin-tadìny no niara-niantoraka taminy.
Dia notarihiny tany ivelan’ny tanàna izy,
ka notorahany vato;
ary ny vavolombelona dia nametraka ny fitafiany
teo an-tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.
Raha mbola nitora-bato azy izy ireo,
i Etiena kosa nivavaka nanao hoe:

“Jesoa Tompo ô; raiso ny fanahiko.”

Dia nandohalika izy,
ka niantso tamin’ny feo mahery hoe:

“Tompo ô! aza tanana izao hadisoany izao.”

Nony nilaza izany izy,
dia nody mandry teo amin’ny Tompo.
Ary i Saoly nankatò ny namonoana azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 30, 3de-4. 6ab sy 7b sy 8a. 17 sy 21ab

Apetrako eo am-pelatananao ny aiko.

Metia, ry Vatolampy fierena!
Vonjeo aho ry Trano fiarovana!
Ianao no haram-bato sy toera-mafy ho ahy!
Ny Anaranao itarihana sy itantanana ahy!

Apetrako eo an-tananao ny aiko:
avoty aho, ry Tompo Andriamanitra!
Ianao kosa no ifefeko!
Mibitaka sy ravo aho noho ny hatsaram-ponao.

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao!
Vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao!
Ny fieren’ny tavanao no anafenanao azy,
lavitry ny tetika ataon’ny olona.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 30-35)

Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Môizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko.

Tamin’izany andro izany,
hoy ny vahoaka tao Kafarnaôma tamin’i Jesoa:

“Inona àry no fahagagana ataonao,
mba ho hitanay ka hinoanay Anao?
Inona no asa ataonao?
Ny razantsika nihinana ny mana tany an’efitra
araka ny voasoratra hoe:
Mofo avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa tsy i Môizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra,
fa ny Raiko no manome anareo ny mofo avy any an-danitra
izay tena izy tokoa;
satria izay mofo midina avy any an-danitra
sy manome ny fiainana an’izao tontolo izao
no mofon’Andriamanitra.”

Ary hoy izy ireo taminy:

“Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Izaho no mofon’aina;
izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony,
ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 6, 8-15)


Tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany izy ireo.

Tamin’izany andro izany,
feno fahasoavana sy herim-po i Etiena,
ka nanao fahagagana sy famantarana lehibe tao amin’ny vahoaka.
Fa ny sasany avy amin’ny sinagôgan’i Libertina,
sy ny an’ny Sireneana sy ny Aleksandrina
mbamin’ny Jody avy any Silisia sy Azia,
dia nitsangana niady hevitra tamin’i Etiena,
ka nony tsy nahatohitra ny fahendrena
sy ny Fanahy izay nitenenany izy ireo,
dia namoky olona hilaza hoe:

“Renay nandefa teny fitenenan-dratsy an’i Môizy
sy Andriamanitra izy io.”

Nomeny fo koa ny vahoaka sy ny loholona
ary ny mpanora-dalàna,
ka niantoraka tamin’i Etiena sy nisambotra azy,
ary nitondra azy tany amin’ny Sanedrina.
Dia nanangana vavolombelona tsy marina izy nanao hoe:

“Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy
ny fitoerana masina sy ny Lalàna.
Efa renay nilaza izy
fa ilay Jesoa avy any Nazareta, hono,
dia handrava ity fitoerana ity,
sy hanova ny fanao nomen’i Môizy antsika.”

Ary raha nibanjina an’i Etiena
ry zareo rehetra nipetraka tao amin’ny Sanedrina,
dia hoatra ny anjely no fijeriny ny tarehiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 23-24. 26-27. 29-30

Sambatra izay madio famindra.

Na Mpanjaka aza no hipetraka hanameloka ahy,
ny fitsipikao no fibitsiky ny mpanomponao.
Ny fanambarànao no firavoako;
ny fitsipikao no filàko saina.

Nitanisa ny lalànao aho ka novalianao;
ampianaro ahy ny fitsipikao!
Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho,
mba hisaintsainako ny asanao mahagaga.

Halaviro ahy ny lalan’ny lainga;
ny Lalànao no aoka hanenika ahy!
Ny lalan’ny fahamarinanao no nofidìko;
ny satanao tsy hadinoiko.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nahita Ahy ianao ka mino, fa sambatra izay tsy nahita ka mino.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 22-29)

Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Ny ampitson’ny fampitomboana ny mofo,
dia tsaroan’ny vahoaka nijanona teny an-dafin’ny ranomasina
fa tsy nisy afa-tsy sambo kely anankiray no teo,
ary i Jesoa tsy niara-niondrana an-tsambo tamin’ny mpianany,
fa ny mpianany ihany no nandeha;
nefa nisy sambo kely hafa maro avy any Tiberiady
tonga tao akaikin’ny tany nanomezan’ny Tompo mofo hohaniny rahefa nisaotra Izy.
Dia niondrana tamin’ireo sambo ireo ny olona
nony nahita fa tsy teo i Jesoa na ny mpianany,
ka nankany Kafarnaôma hitady an’i Jesoa.
Ary rahefa hitany teny an-dafin’ny ranomasina Izy,
dia nilazany hoe:

“Raby, oviana no tonga teto Ianao?”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Lazaiko marina dia marina aminareo:
Ianareo no mitady Ahy,
dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana
fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.
Miasà ianareo,
tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona,
fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay,
dia izay homen’ny Zanak’Olona anareo;
fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombo-kase.”

Ary hoy izy ireo taminy:

“Inona ary no hataonay
mba hiasanay ny asan’Andriamanitra?”

Namaly i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe:

“Izao no asan’Andriamanitra,
dia ny hinoanareo Ilay nirahiny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 5, 27b-32. 40b-41)

Izahay sy ny Fanahy Masina no vavolombelon’ny teny lazainay.

Tamin’izany andro izany, nentina teo amin’ny Sanedrìna ny Apôstôly,
ary nadinin’ny lehiben’ny mpisorona izy ireo nataony hoe:

“Efa noraranay mafy ianareo mba tsy hampianatra amin’izany Anarana izany,
kanjo vao mainka naelinareo eran’i Jerosalema ny fampianaranareo,
ary izahay indray tadiavinareo hianjeran’ny Ran’iny Lehilahy iny”.

Fa namaly i Piera sy ny Apôstôly ka nanao hoe:

“Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona.
Natsangan’ny Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa,
izay novonoinareo nahantona tamin’ny hazo.
Izy nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra ho Mpifehy sy Mpamonjy,
mba hanome fibebahana sy famelan-keloka an’i Israely.
Ary izahay sy ny Fanahy Masina, nomen’Andriamanitra an’izay rehetra manaiky Azy,
no vavolombelon’izany zavatra izany”.

Ary nony efa nasainy nokapohina tamin’ny tsora-kazo ny Apôstôly,
sy noraràny mafy tsy hiteny amin’ny Anaran’i Jesoa intsony, dia nalefany.
Nony niala tamin’ny Sanedrìna ny Apôstôly, dia nandeha an-kafaliana,
satria natao mendrika ny hitondra fahafaham-baràka noho ny Anaran’i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 29, 2 sy 4. 5-6. 11 sy 12a sy 13b

Izaho hidera Anao, ry Tompo, satria Ianao nanafaka ahy.

Izaho midera ny Tompo nanafaka ahy:
tsy navelany hifaly ny rafiko.
Ny fanahiko efa tany an-tSeoly
dia nakarinao, ry Tompo ô!
izaho efa tany am-pasana
dia novelominao indray!

Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka;
isaory ny Anarany masina.
Mandalo ihany ny hatezerany,
ny fanambinany kosa maharitra:
hariva aho nitomany,
fa nony maraina, velon-kira.

Tompo ô, aoka Ianao handreny;
miantrà re, tongava hamonjy.
Dia navadikao ho dihy
ilay hira fitarainako;
Ry Tompo Andriamanitro ô,
mandrakizay no hisaorako Anao!

Vakiteny faharoa

Boky Fanambaràna nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 5, 11-14)

Ny Zanak’ondry izay voavono no mendrika handray ny fahefàna sy ny haja.

Izaho, Joany, nahita sy nandre ny feon’Anjely maro be,
nanodidina ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina ary ireo Anti-dahy,
ka ny isany dia alinalina sy arivoarivo, nanao tamim-peo mahery hoe:

“Ny Zanak’ondry izay voavono no mendrika handray ny fahefana,
ny harena, ny fahendrena, ny hery, ny haja, ny voninahitra ary ny saotra”.

Ary reko ny voaary rehetra any an-danitra sy ety an-tany ary any ambanin’ny tany,
mbamin’izay any anaty ranomasina, sy ny zavatra rehetra ao anatin’ireo indray nilaza hoe:

“Ho an’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana
sy ho an’ny Zanak’ondry anie ny dera sy ny haja,
ary ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay mandrakizay”.

Dia novalian’ny Zava-manana aina efatra hoe:

“Amen!”

Ary ny Anti-dahy efatra amby roapolo niankohoka nitsaoka an’Ilay velona mandrakizay mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 1-19)

Tonga i Jesoa ary nandray ny mofo sy nanome azy ireo, ary toy izany koa ny hazandrano.

Tamin’izany andro izany i Jesoa dia niseho tamin’ny mpianany indray,
teo amoron’ny ranomasin’i Tiberiady,
ary toy izao no nisehoany:
Tafaraka i Simôna Piera sy i Tômà izay atao hoe Didimo, ary i Natanaely izay avy tany Kanàn’i Galilea,
mbamin’ireo zanak’i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa.
Fa hoy i Simôna Piera tamin’izy ireo:

“Handeha hanarato aho”.

Fa hoy ireo taminy:

“Handeha hiaraka aminao koa izahay”.

Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely,
nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny.
Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano i Jesoa;
kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy.
Ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Manan-kanina va ianareo, anaka?”

Dia hoy ny navaliny Azy:

“Tsia”.

Hoy Izy tamin’izy ireo:

“Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo, fa hahazo ianareo”.

Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano.
Ary hoy ilay mpianatra malalan’i Jesoa tamin’i Piera:

“Ny Tompo io”.

Nony ren’i Simôna Piera fa hoe ny Tompo io,
dia noraisiny nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny,
ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy.
Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely
(fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roanjato hakiho monja),
nitarika ny harato feno hazandrano.
Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo,
dia nahita vainafo sy hazandrano iray teo amboniny ary mofo.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Itondray ny hazandrano vao azonareo”.

Dia niakatra i Simôna Piera,
ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimampolo amby zato;
nefa tsy rovitra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy.
Dia hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Avia hisakafo”.

Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany Azy hoe:

“Iza moa Ianao?”

Satria fantany ihany fa ny Tompo io.
Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo;
ary toy izany koa ny hazandrano.
Izany no fanintelony nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany,
rehefa nitsangan-ko velona Izy.

Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna Piera:

“Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?”

Ka hoy ny navaliny azy:

“Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao”.

Dia hoy Izy taminy:

“Fahano ny zanak’ondriko”.

Ary hoy indray Izy taminy fanindroany:

“Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?”

Ka hoy ny navaliny Azy:

“Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao”.

Dia hoy Izy taminy:

“Fahano ny zanak’ondriko”.

Ary hoy indray Izy taminy fanintelony:

“Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?”

Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe:
Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy:

“Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko,
ka fantatrao fa tiako Ianao”.

Dia hoy Izy taminy:

“Fahano àry ny reniondriko.
Lazaiko marina dia marina aminao:
Fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin’izay tianao haleha;
fa rehefa antitra kosa ianao, dia hiraviravy ny tananao,
ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin’izay tsy tianao”.

Izy no nilaza izany,
dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan’i Piera voninahitra an’Andriamanitra.
Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanao taminy hoe:

“Manaraha Ahy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 1-14)

Tonga i Jesoa ary nandray ny mofo sy nanome azy ireo, ary toy izany koa ny hazandrano.

Tamin’izany andro izany i Jesoa dia niseho tamin’ny mpianany indray,
teo amoron’ny ranomasin’i Tiberiady,
ary toy izao no nisehoany:
Tafaraka i Simôna Piera sy i Tômà izay atao hoe Didimo, ary i Natanaely izay avy tany Kanàn’i Galilea,
mbamin’ireo zanak’i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa.
Fa hoy i Simôna Piera tamin’izy ireo:

“Handeha hanarato aho”.

Fa hoy ireo taminy:

“Handeha hiaraka aminao koa izahay”.

Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely,
nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny.
Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano i Jesoa;
kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy.
Ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Manan-kanina va ianareo, anaka?”

Dia hoy ny navaliny Azy:

“Tsia”.

Hoy Izy tamin’izy ireo:

“Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo, fa hahazo ianareo”.

Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano.
Ary hoy ilay mpianatra malalan’i Jesoa tamin’i Piera:

“Ny Tompo io”.

Nony ren’i Simôna Piera fa hoe ny Tompo io,
dia noraisiny nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny,
ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy.
Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely
(fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roanjato hakiho monja),
nitarika ny harato feno hazandrano.
Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo,
dia nahita vainafo sy hazandrano iray teo amboniny ary mofo.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Itondray ny hazandrano vao azonareo”.

Dia niakatra i Simôna Piera,
ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimampolo amby zato;
nefa tsy rovitra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy.
Dia hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Avia hisakafo”.

Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany Azy hoe:

“Iza moa Ianao?”

Satria fantany ihany fa ny Tompo io.
Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo;
ary toy izany koa ny hazandrano.
Izany no fanintelony nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany,
rehefa nitsangan-ko velona Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...