Isany fototra hatongavana ho amin'ny fandrosoana ny safidy, izay fahafahana misy eo amin'ny tsirairay, indrindra ho an'ny olom-pirenena. Safidy ratsy ny fanapotehana ny ho avin'ny ankizy, indrindra izay mahakasika ny fanabeazana ; ny fanaovana tsinotsinona ny lafiny ara-panabeazana dia fanimbana ny fototry ny fampandrosoana. Ny fitiavan-tanindrazana dia ny fanomezan-danja ny soa iombonana ho an'ny vahoaka 30 tapitrisa eto amin'ny nosintsika. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Mivory ara-potoana toa ny fanao isan-taona ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara. Fivoriana nanomboka ny 5 novambra lasa teo hatramin'ny 15 novambra ho avy izao... ♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny taom-pianarana 2024-2025 ho an'ny sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Ny Distrika Misiôneran'i Itaosy no nandray ny lanonana... ♦ Nampiantso ministra vitsivitsy ao amin'ny governemanta hanazava ny momba ny fahapotehan'ny lalana sy ny olan'ny angovo anio ny solombavambahoaka eny Tsimbazaza raha tsy misy ny fiovana. Ny solombavambahoaka avy amin'ny fanoherana no namaritra io fandaharam-potoana io...

♦ Nosokafana teny amin'ny Lycée Catholique Saint Michel Itaosy androany ny taom-pianarana 2024-2025 ho an'ny Sekoly Katôlika, ato anatin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Hisy indray rahampitso ny Minisitra ao amin'ny Governemanta, hihaona mivantana amin'ireo Solombavam-bahoaka eny Tsimbazaza. Nampiantsoina amin'izany ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, sy ny Minisitry ny Asa Vanenty... ♦ Tsy hanova ny fifandraisan'i Etazonia sy i Madagasikara, na iza na iza lany ho Filoham-pirenena any an-toerana...

♦ Ministra miisa roa anatin'izao governemanta izao no nanao antso hampandaniana ny kandida-panjakàna ben'ny tanàna tao Mahajanga, miantso ny CENI handray andraikitra manoloana izany ny kandidàn'ny Firaisan-kina any an-toerana... ♦ Mivadika ho hetsika fanakorontanana ny fitakiana ataon'ny mpanjifa milaza ho leo "delestage" eto Antananarivo sy ny manodidina, tsy maintsy mandray andraikitra manoloana izany ny avy amin'ny mpitandro ny  filaminana hoy ny ministra miandraikitra ny zandarimariam-pirenena... ♦ Nankatoavin'ny antenimieram-pirenena ny findramam-bola mitentina 31,5 tapitrisa dôlara amerikanina hanaovana ny tetik'asa Fly Over Makis, vinavinaina ho vita amin'ny taona 2028 ny asa...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...