Ny mpanoratra ny Salamo dia mametraka mazava tsara mihitsy fa ny fahafatesana no fahavalo faratampn'ny olombelona. Sazy mafy indrindra ary mampihorohoro sy mampatahotra ny olona indrindra. Ny vavaka dia ahatsapana fa voafetra ny olombelona ; io fetra io no manampy antsika tsy hanao tsinontsinona ny hafa satria isika natao hiaina ao antin'ny fiaraha-monina ; ny maha-izy antsika dia ny hafa... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

6 aogositra 2024 — Ny Niovan'ny Tompo tarehy — Fety — Ity no Zanako malalako izay ankasitrahiko, henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 2-10)

♦ Tsy fantatra mazava, na afaka madiodio tokoa, araka ny filazany, Ramatoa Rommy Voos Randrianarisoa, na nisy antony hafa. Nilaza Ramatoa Fanirisoa Herinaivo, Filohan'ny SMM teo aloha, fa fandroahana voafonja vahiny no azony... ♦ Halatra atao amin'ny mpajifa ireo fepetra nambaran'ny Jirama ny herinandro teo, hoy ny MCI. Miantso ny mpanjifa tsy hanaiky ny fidiran'ny mpiasan'ny Jirama hanapaka jiro any an-trano, ity fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa ity...

♦ Manentana ny mpino rehetra hivavaka ho an'ny mpitondra ara-pôlitika, ny Papa François, ao anatin'ilay vavaka fangantahana ampanaoviny isam-bolana... ♦ Tontosaina eny amin'ny Déhoniens Ambolonkandrina, ny fihaonan'ireo lehibem-pikambanana ao anatin'ny Congrégation Spiritain, ho an'i Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Tsy mahafeno ny fiainana ny zavatra materialy, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...