♦ Nisantatra ny fivoriana mikaton-trano niainga tamin'ny fampiantsoana nataon'ireo Solombavam-bahoaka ny Minisitry ny Vola sy ny Toekarena... ♦ Malalaka ho an'ireo tambajotra matanjaka ary iraisam-pirenena izay manondrana ny harena voajanahary eto Madagasikara ny kolikoly... ♦ Mikatona vonjimaika ho an'ny sambo mpitondra mpandeha avy any Comores ny sisin-tanin'i Madagasikara, noho ny valanaretina Choléra...

♦ Nikaton-trano nandritra ny ora roa teny Tsimbazaza androany, ireo Solombavam-bahoaka sy ny Minisitry ny Fitantanam-bola... ♦ Nandray fepetra ny fitondrana hisorohana ny fahatongavan'ny "Choléra" eto Madagasikara. Nakatona ny sisin-tany amin'ny fitaterana an-dranomasina avy atsy Comores... ♦ Mamela malalaka ny fanondranana ny harem-pirenena ny kolikoly. Noresahana ny paikady iadiana amin'izany, nandritra ny atrik'asa niantsoana ireo mpisehatra amin'ny harena voajanahary...

♦ Niatrika fivoriana nikaton-trano teny Tsimbazaza ny maraina teo ireo solombavambahoaka sy ny ministry ny vola sy ny toe-karena, lahadinika teo amin'izy ireo ny momba ireo tombontsoa sy tambi-karaman'ny solombavambahoaka tsy voaloa... ♦ Tsy manana fahaiza-manao ny 85% amin'ny mpampianatra eto Madagasikara, 70% ny mpanabe no mpampianatra FRAM avokoa, hiompana amin'ny fampiofanana ny tanora manomboka izao ny Génération Mada... ♦ Simba tsy mamaly ny filàna misy ny ankamaroan'ireo foto-drafitr'asa ho an'ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa, torak'izany koa ny fandaharam-pianarana sasany, isany noresahan'ny ministera tamin'ireo mpiara-miombon'antoka taminy ireo...

Ny olom-pirenena vanona dia manana hambom-po amin'ny fitiavana ny tanindrazana, ary mirehareha amin'ny maha malagasy. Manana adidy sy andraikitra amin'ny fanabeazana, ny olona misehatra amin'ny haino vaky jery satria izy ireo dia manana anjara amin'ny famolavolana ny toe-tsaina. Hery fahaefatra lehibe ho an'ny firenena iray ny fitaovana sy ny serasera. Adidin'ny haino vaky jery ny manentana ny olom-pirenena handeha hifidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...