♦ Kandidà hiantoka ny fitoniana sy ny fampandrosoana an'i Madagasikara no tadiavin'ny antoko miara-dia amin'ny fitondrana amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina amin'ny 11 desambra izao. Fanehoan-kevitry ny Sekretera Nasiônalin'ny Antoko TGV, Rasoamaromaka Hery... ♦ Navoaka tamin'ny fomba ôfisialy tao Antsirabe ny pôlisy nahavita fiofanana tao amin'ny ENIAP 1.200 isa mahery, nanome voninahitra izany ny Praiministra... ♦ Singa miantoka ny fahavitan-tena ara-tsakafo, fanamby hotratrarin'ny fitondram-panjakàna ny fampiasan'ny tantsaha ny masomboly nohatsaraina sy ny fampitomboana ny tany volena hoy ny solombavambahoaka Razafindrabary Richard, filohan'ny vaomiera misahana ny fampandrosoana eny ambanivohitra...

♦ Nampitandrina an'ireo manana fikasana hanakorontana mandritra ny zotra-pifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina amin'ity taona ity ny fitondram-panjakàna. Tsy maintsy hadray fepetra mifanandrify amin'izany ny fanjakàna hoy ny mpitondra tenin'ny Governemanta Vola Miranty Dona... ♦ Manantena ny fitsaràna, hitsara am-pitoniana sy am-pahamarinana ny fitoriana napetr'izy ireo ny mpisolo vava an'Andriamatoa Marc Ravalomanana. Nametraka fitoriana teny amin'ny fitsaràna misahana ny ady amin'ny fanjakàna momba ny fanapahan-kevitra noraisin'ny CENI izy ireo... ♦ Omena sehatra mandritra ny andiany faharoa amin'ny foaran'Analamanga ny vokatra Vita Malagasy...

♦ Nitondra fanazavana momba ilay fanovana ny fanomanana ireto antontan-taratasy ilaina amin'ny firotsahan-kofidiana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, ny eo anivon'ny CENI... ♦ Nampitandrina ireo rehetra manana fikasana hamboly korontana mandritra ny zotram-pifidianana kaominaly, ny mpitondra tenin'ny Governemanta. Tsy maintsy handray andraikitra amin'izany ny fitondram-panjakana, hoy izy... ♦ Omena sehatra mandritra ny andiany faha-2 amin'ny Foaran'Analamanga, tanterahina eny amin'ny Kianjan'ny Barea nanomboka androany, ny vokatra vita malagasy...

♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...