♦ Mason-tsivana anisan'ny takiana amin'ireo mpilatsaka hofidiana ho Ben'ny Tanàna ny fandoavan-ketra. Namerina nampahatsiahy ireo kandidà ny Foibe Fitantanana ara-ketra... ♦ Hiroso avy hatrany amin'ny fanofanana ireo mpikambana amin'ny rantsana mpandray ny antonta-taratasin'ireo kandidà hilatsaka ho Ben'ny Tanàna ny CENI, amin'ity herinandro ity... ♦ Manjaka ny fanafihana mitam-piadiana hamoizana ain'olona, any amin'ny Distrikan'i Mananjary. Mpandraharaha iray no namoy ny ainy ny herinandro lasa teo...

♦ Manofana ireo mpikambana ao amin'ny rantsana mpandray antonta-taratasy filatsahan-ko fidiana amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina ny CENI ankehitriny... ♦ Efa anatin'ny fanaraha-maso ny fikarakarana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina ny SAFIDY. Miara-miasa amin'ny fikambanan'ny mpitsara ANJA, amin'ny famolavolana torolalana hampahafantarana ny fandikan-dalàna mety hitranga ihany koa izy ireo... ♦ Manjaka ny asan-dahalo sy ny volo olona, amin'ny faritra samihafa manerana ny nosy, isan'ny itrangan'izany ny any Mananjary sy Toliara Faharoa...

♦ Tontosa ny sabotsy 17 aogositra 2024, ny Andron'ny Diôsezy sy ny fankalazana ny fetin'i Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra, teo ihany koa ny fankalazana ireo taon-jobily samihafa, ho an'ireo pretra avy eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nifarana omaly ny Lasy Ravina andiany faharoa, ho an'ny Antilin'i Madagasikara ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Mamonjy antsika i Jesoa amin'ny alalan'ny famelomany ny fiainantsika amin'ny azy mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianarana nentin'ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

♦ Hanalalaka ny fanehoan-kevitra sy hanery ny mpitondra amin'ny fomba fitantanana ny firenena ny fahazoan'ny mpanohitra ny fitantanana an'Antananarivo, hoy ny antoko Humaniste écologiste... ♦ Tokony esorina ny Tale jeneralin'ny Jirama amin'izao, fa sady tsy mahavaha olana no mbola karamaina lafo, hoy ny FIMZOMPAM. Nambaran'ity fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa ity fa vahaolana teo aloha no nambarany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...