Fototry ny safidy ny hatsaram-panahy. Tsy iray andro ny mariazy, mila mizaha toetra mandritra ny fifamofoana. Tsy izay rehetra mitory fitiavana dia ekena avokoa. Mety hamotika tsikelikely ny fifandraisana ny resaka kolo-tsaina. Mety hamotika tsikelikely ny fifandraisana ny resaka kolo-tsaina. Ny mariazy dia tandindon'ny fifankatiavana mandra-maty, fankatoavana ny andraikitra feno. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

Alahady fahaenina fankalazana ny Paka : Tsy mifidy olon-kotiavina Andriamanitra ; Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany. Miresaka ny "fitiavana" ny vaki-teny telo amin'ity alahady ity : fitiavana Andriamanitra, fitiavana no iainan'ny rehetra (ray, zanaka, mpianatra, samy olombelona). Ny fitiavana ny namana dia mifototra amin'ny fitiavan'i Jesoa antsika olombelona. Andriamanitra no fototry ny fitiavana...

5 mey 2024 — Alahady fahenina Fankalazana ny Paka — Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina no aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-17)

Ny tevii-doha dia teny ara-pitsaboana ampiasaina hilazana ny mandeha ran'orona. Mora mandeha ra ny orona noho ny toerana misy azy eo amin’ny tarehy sy ny akaiky ny lalan-dra ao amin’ny fonon’ny orona. Misy karazany roa ny tevi-doha : tevi-doha hita ivelany, tevi-doha anaty zany hoe aorian'ny kambon'orona. Ny ankizy 5 hatramin'ny 10 taona no matetika mandeha ran'orona, misy ihany koa anefa ny olon-dehibe. Mety ho vokatry ny dona na aretina hafa no mahatonga ny tevi-doha, toetr'andro. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...