Zava-dehibe ny fifantohana sy ny fihainoana. Voalaza ao amin'ny Lioka 6, 40 : "ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tsara ofana ihany no toa ny mpampianatra azy". Anisan'ny fampianarana manan-danja atoron'ny Baiboly ho an'ireo mpianatra, hanampy azy hiatrika ny ho aviny dia ny fahaizana manara-dalàna. Mila mametraka lalàna ho an'ny tenany ny tsirairay. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
13 aprily 2024 — Sabotsy, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra, ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 16-21)
♦ Nankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Ankizin'ny Làlana isika androany 12 aprily. Fizaham-pahasalamana maimaim-poana sy fanomezana kôpia nahaterahana, no nanamarihana izany teny amin'ny Tranom-pokonolona Isotry... ♦ Lasa fanangonan-karena sy fitadiavam-bola ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara, fa tsy misy mihitsy izay mahasoa ny vahoaka, hoy ny HPM sy ny ACS... ♦ Mangataka amin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana hampiato ny fambolen-kazo any anatin'ny tany iveloman'ireo tantsaha manamorona ny tandavan'ala Angavo, ny pretra sy ny Justice et Paix, ao amin'ny Distrika Misiônera Amboasary Gara, Diôsezin'i Moramanga...
♦ Notanterahana ny 8 hatramin'ny 11 aprily 2024 ny fivoriana ara-potoana fanaon'ny Jutice et Paix isan-taona, ka nentin'izy ireo nanomezana hafatra ho an'ny vahokan'Andriamanitra... ♦ Hotanterahana ny alahady 14 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka sy fametrahana eo amin'ny fiketrahana maha Eveka hitantana ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Razafinirina Jean Désiré... ♦ Anisan'ny herim-panahy mahatonga tena handresy ny ratsy marina tokoa ny faherezana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nentiny tamin'ny Audience Générale, tamin'ny alarobia 10 aprily 2024...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco