Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa. 10, 25-26. 34-35. 44-48)
Tamin’izany andro izany,
raha vao niditra tao Sezarea i Piera,
dia notsenain’i Kôrnely, kapiteny rômanina,
ka sady niankohoka teo an-tongony izy no nitsaoka azy.
Fa nasain’i Piera nitsangana izy, nataony hoe:
“Mitsangàna, fa olona ihany aho”.
Dia niloa-bava i Piera ka nanao hoe:
“Hitako marina tokoa fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra:
fa izay matahotra Azy sy manao ny marina, dia ankasitrahiny,
na aiza na aiza firenena misy azy”.
Mbola miteny eo i Piera
no nidina tamin’izay rehetra nihaino ny teniny ny Fanahy Masina
ka talanjona fatratra ny mpino voafora,
tonga teo niaraka tamin’i Piera,
nahita fa nidina tamin’ny Jentily koa ny fanomezan’ny Fanahy Masina,
satria reny niteny fiteny samihafa sy nankalaza an’Andriamanitra izy ireo.
Dia hoy i Piera:
“Azo lavina tsy hatao Batemy amin’ny rano va
ireto olona efa nandray ny Fanahy Masina toa antsika ireto?”
Koa ireo, nasainy natao Batemy amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo;
izy kosa nangatahin’ireo hitoetra eo aminy andro vitsivitsy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 97, 1. 2-3ab. 3de-4
Ihirao hira vao ny Tompo
fa nahavita zava-mahagaga:
ny tanany havanana, ny sandriny masina
no nahazoany fandresena.
Nahariharin’ny Tompo ny famonjeny,
ny fahamarinany hitan’ireo firenena.
Tsarovy, ry terak’i Israely,
ny fitiavany sy fahamarinany!
Zahao, ry vazan-tany rehetra,
ny famonjen’ny Andriamanitray.
Hobio ny Tompo, ry tany tontolo;
mientàna, miantsà sy mihobia.
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 4, 7-10)
Ry hava-malala, aoka hifankatia isika,
fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.
Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra,
satria Andriamanitra dia fitiavana.
Ary nampiseho ny fitiavany antsika Izy,
tamin’ny nanirahany ny Zanany Lahy tokana ho amin’izao tontolo izao,
mba hahavelona antsika amin’ny alalany.
Ary toy izao izany fitiavana izany:
tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo,
fa Izy no tia antsika mialoha,
sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika.
— Izany ary ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina no aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-17)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa,
koa mitomoera amin’ny fitiavako ianareo.
Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako,
tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.
Izaho no milaza izany aminareo,
dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo.
Izao no didiko,
dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa
noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany.
Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo.
Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo,
satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony;
fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo,
ka nanendry anareo mba handehananareo sy hahavokaranareo
ary haharetan’ny vokatrareo,
sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.
Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nifarana ny fankalazana ny faha-100 taona niorenan'ny Antilin'i Madagasikara. Notokanana ny sabotsy teo ny vavahady miditra amin'ny tanànan'ny Antily ao Marlix Andakana Ambohidratrimo... ♦ Miantso ny kandidà natolotry ny vovonana Firaisan-kina ho vonona sy hijoro hiatrika ny fifidianana solombavambahoaka, Andriamatoa Marc Ravalomanana, filoha mpiara-mitantana... ♦ Mahazo aina vao indray ny fikambanana teraka Manandriana Faritra Amoron'i Mania. Nifampiarahaba noho ny fahatratrarana ny taona 2024 ny FITEMA ny sabotsy teo... ♦ Nivahiny tany Venise ny Papa François omaly. Fitsidihana apôstôlika voalohany ivelan'i Vatican tamin'ity taona ity...
Alahady fahadimy fankalazana ny Paka : Ny tena apôstôly dia matoky, mifankatia ary tsy matahotra ; mitomoera ao amiko, dia hitoetra ao aminareo Aho, hoy ny Tompo; izay mitoetra ao amiko no mamoa be. Raha tsy mitoetra ao amin'i Jesoa isika dia ho noana, ary mety hofaty aza. Ny finoana tonga lafatra tamin'ny alalan'ny Batemy no mampiombona ny olona amin'i Jesoa. Ny tokony hataontsika mba hamokatra ny sampam-boaloboka dia ny firaiketana amin'i Jesoa kristy, ary manao ny ezaka mba haneho sy hitory azy eny amin'ny fiaraha-monina. Ezaka tsy maintsy hataon'ny tsirairay : fialana amin'ny fahazaran-dratsy, ny fitiavan-tena, fahotana...
♦ Nitokona nanomboka omaly ary mandritra ny fotoana tsy voafetra ireo mpianatra nahavita fiofanana tao amin'ny IFIRP... ♦ Misy misandoka ho mpikirakira ny fitaovam-pitarafana na ny radiographie any amin'ny toeram-pitsaboana sasany... ♦ Kely ny erijika hahazon'ny fitondrana ny famatsiam-bola FEC avy amin'ny FMI tahirim-bola iraisam-pirenena, raha ny nambaran'ny mpanao politika Beanjara Paul... ♦ Nilaza ny Hamas androany sabotsy fa handinika ny tolo-kevitr'i Israely mba hanafahana ireo takalon'aina sy hampitsaharana ny fanafihana ataon'Israely any Gaza... ♦ Drone Ukraniana miisa 66 no potiky ny tafika Rosiana alina hifoha androany maraina tany amin'ny faritra atsimon'i Rosia tany Kras Nodar...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco