Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 12, 26-32 ; 13, 33-34)
Tamin’izany andro izany, hoy i Jerôbôama anakampony:
“Mba mety ho tafaverina amin’ny tranon’i Davida ihany ny fanjakana izao.
Raha miakatra hanao sorona any an-tranon’ny Tompo any Jerosalema ny vahoaka,
hitodika ny fon’ity vahoaka ity hankany amin’ny Tompony indray, amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà,
dia hamono ahy ka hiverina amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà.”
Dia nandinidinika ny mpanjaka, ka nanao zanak’omby volamena roa
ary nilaza tamin’ny vahoaka hoe:
“Efa ela niakarana tany Jerosalema ianareo, ry Israely,
ity no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.”
Ny iray napetrany tao Betela, ary ny iray kosa tany Dana.
Nahatonga fahotana izany fa lasa hatrany Dana hivavaka amin’ny anankiray amin’ireo ny vahoaka.
Nanao trano ho fitoerana avo i Jerôbôama,
ary namorona mpisorona nalainy tamin’ny vahoaka fa tsy isan’ny taranak’i Levi.
Nisy fety noforonin’i Jerôbôama
tamin’ny volana fahavalo tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana
ho fanahafana ny fety fanao amin’i Jodà,
dia nanatitra sorona teo ambony ôtely izy.
Toy izany no nataony tao Betela,
mba hanaovan’ny olona sorona amin’ireo zanak’omby nataony,
ary nampitoerany tao Betela ny mpisoron’ireo fitoerana avo, izay natsangany.
Taorian’izany zava-niseho izany,
mbola tsy niala tamin’ny lalan-dratsiny ihany i Jerôbôama,
fa mbola nanangana mpisoron’ny fitoerana avo, avy amin’ny vahoaka ihany izy,
ka na iza na iza tia izany, dia natokany ka tonga mpisoron’ny toerana avo izy.
Nampisy fahotana momba ny tranon’i Jerôbôama izany
ka io no antony nandringanana sy namongorana azy teto ambonin’ny tany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 105, 6-7a. 19-20. 21-22
Nanota toy ny razanay izahay,
nanao izay meloka sy ratsy!
Ny razanay tany Ejipta
tsy nahatsapa ny asanao mahagaga.
Tany Hôreba izy ireo nanao zanak’omby,
niankohoka tamin-tsary anidina.
Ilay voninahiny dia natakalony
sarin’ombilahy homana ahitra!
Hadinony Andriamanitra Mpamonjy azy,
Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta,
zava-mahagaga tany an-tanin’i Kama,
zava-mahatahotra teo an-dRiakan-Jozoro.
Aleloia. Aleloia.
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 1-10)
Tamin’izany andro izany:
nony betsaka ny vahoaka sady tsy nanan-ko hanina
dia niantso ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Mampalahelo ahy ity vahoaka,
fa efa hateloana izay tsy nisaraka tamiko ka tsy manan-ko hanina;
ary raha ampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana dia ho reraka eny an-dalana,
fa avy lavitra ny sasany.”
Dia hoy ny mpianany namaly Azy:
“Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo aty an’efitra?”
Ary Izy nanontany azy hoe:
“Manana mofo firy ianareo?”
“Fito”, hoy izy ireo.
Dia nasainy hipetraka tamin’ny tany ny vahoaka ary noraisiny ny mofo fito,
ka nony vita ny fisaorana dia novakìny, sy nomeny hozarain’ny mpianany,
ary nozarainy tamin’ny vahoaka.
Ary nanana hazandrano madinika vitsivitsy koa Izy,
ka notsofiny rano dia nasainy hozaraina.
Ary nihinana ny olona ka voky,
ary ny sombintsombiny sisa tsy lany nentiny dia nisy fito sobika.
Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana; dia nampodiny.
Dia niondrana an-tsambokely niaraka tamin’izay Izy sy ny mpianany,
ka tonga tany amin’ny faritanin’i Dalmanotà.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 11, 29-32 ; 12, 19)
Tamin’izany andro izany,
raha nivoaka avy tao Jerosalema i Jerôbôama
dia nifanojo teny an-dalana tamin’i Ahiasa mpaminany,
avy any Silao, sy nitafy kapaoty vaovao:
izy roalahy ihany no tany an-tsaha tamin’izany.
Nalain’i Ahiasa ny kapaoty vaovao teny aminy,
ka norovidrovitiny ho roa ambin’ny folo, dia hoy izy tamin’i Jerôbôama:
“Raiso ho anao ny tapany folo,
fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely:Indro, hendahako avy eo an-tanan’i Salômôna ny fanjakana,
ka homeko anao ny foko folo, fa ny foko iray ihany no sisa azy,
noho ny amin’i Davida mpanompoko sy noho ny amin’i Jerosalema,
tanàna voafidiko tamin’ny fokon’i Israely rehetra.”
Toy izany no niendahan’i Israely tamin’ny tranon’i Davida mandraka androany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 80, 10-11ab. 12-13. 14-15
Tandremo mitsaoka andriamani-kafa.
Mandray ny andriamanitr’ireo vahiny;
f’izaho re no Tompo Andriamanitrao.
Nampakatra anao avy tany Ejipta.
Kinanjo ny oloko tsy nihaino.
I Israely nanosika Ahy!
Izao izy avelako hanao ny tiany.
Hanaraka tsara izay sitrapony.
Indrisy raha nihaino Ahy ireo olon-tiako.
Ka i Israely nanaraka Ahy:
dia ho noreseko ny fahavalo.
Ny rafy ho nasiako tokoa tokoa.
Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niala tany amin’ny faritanin’i Tira,
ary namaky ny faritanin’i Sidôna
ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapaoly.
Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana
nentin’izy ireo teo aminy sy nangatahany mba hametrahany tanana.
Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy,
ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany.
Rahefa izany dia niandrandra ny lanitra Izy,
sady nisento ary nanao taminy hoe:
“Efeta, izany hoe, misokafa.”
Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran’ny lelany,
ka niteny tsara izy,
ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza;
fa araka ny nandrarany azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza;
sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe:
“Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony,
fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny voka-dratsin'ny fandraisana zava-mahadomelina dia maro : manakorontana ny fiasanan'ny taovan'olombelona ka mahatonga tsy fahasalamana. Mampihena ny hery voajanahary ny fandraisana zava-mahadomelina. Mampihena ny torimaso ny zava-mahadomelina, anefa fototry ny fahasalamana ny torimaso. Ny fandraisana zava-mahadomelina dia mety hanempotra, mampihena ny fitadidiana... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
8 febroary 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 24-30)
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco