♦ Nohamasinina sy napetraka ho Evekan'i Diôsezin'i Morombe, omaly, araka ny fomban'ny Eglizy, Mgr Razafinirina Jean Désiré... ♦ Nitso-drano ireo zanany hirotsaka ho kandidà solombavambahoaka amin'ny 29 mey ho avy izao, ny fiangonana katôlika any Ambositra... ♦ Hiainga eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny fanovana hoy ny kôlektifa an'ny Malagasy... ♦ Miantso ny ampitsaharana ny fampiasan-kery any amin'ny Faritr'i Proche-Orient ny Papa François taorian'ny fanafihan'Iran ny Israel, ny sabotsy alina teo ; nanameloka ny fanafihana ny firenena tandrefana, mampitony ny andaniny sy ny ankilany ny tany Arabo...
Alahady fahatelo fankalazana ny Paka : velona marina i Kristry ; voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo, ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao. Resaka finoana ny fitsangana-ko velona ka tsy maintsy mijery amin'ny masom-pinoana sy fihainoana amim-pinoana isika. Toetry ny olona maro ankehitriny ny fisalasalàna sy ny tsy finoana, mbola maro ny tsy miditra am-piangonana na manao ezaka lehibe aza ireo tompon'andraikitry ny Eglizy. Tena velona marina i Kristy ; tsy azo sarahina ao amin'ny tantaram-pamonjena ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, efa voalaza ao ny tantara nisy sy ny ho avy izay iraka ho fitoriana ny Evanjely, hatramin'izao iainantsika izao...
♦ Novonoin'ireo mpaka an-keriny omaly hariva ireo takalon'aina roa vavy tany amin'ny kaominina Androvakely distrikan'Anjazorobe... ♦ Infirmiers sandoka miisa 45 no traha-tehaky ny holafitry ny infirmiers tao anatin'ny 4 volana niasany... ♦ Manahy ny hisian'ny didy jadona eto amin'ny firenena ny antoko PRM... ♦ Naneho ny alahelony noho ny fisian'ny ady eo amin'i Israely sy ny Hamas ny Papa François, tamin'ny hafatra nataony omaly zoma tamin'ny famaranana ny Ramadany... ♦ Nanomboka androany sabotsy ny dinika eo amin'ny samy Maliana izay nampanantenain'ny fitondrana tetezamita any an-toerana. Nilaza ny antoko pôlitika sy ny fiaraha-monim-pirenena Maliana fa tsy handray anjara amin'ity dinika ity...
♦Tsy voahilika ireo solombavambahoaka IRD teo aloha izay tsy natao kandidà intsony, fa tsy maintsy nisy ny fandaminana mba hisian'ny fahamarinan-toeran'ny fitondram-panjakàna hoy ny vovonana IFI... ♦ Lasa fandangonan-karena sy fitadiavam-bola ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara, fa tsy misy mihitsy ny fikatsahana izay mahasoa ny vahoaka hoy ny HPM sy ny ACS... ♦ Mangataka amin'ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy hampihato ny fambolen-kazo any anatin'ny tany fiveloman'ireo tantsaha manamorona ny tandavan'ala Angavo ny Pretra sy ny Justice et Paix any amin'ny Diôsezin'i Moramanga...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco