Ny Zokiolona sy ny tanora dia samy manana ny fomba fijeriny izay tsy mitovy, ary adinon'ny tanora mihitsy aza ny maha sarobidy ny Zokiolon ; rehefa minia mikipy, tsy mihaino ny zokiolona dia lasa manaonao foana : lalana mitondra amin'ny fahaverezana. Mila mamakafaka ny fananarana na ny lova-panahy na ny trai-kefa omen'ireo zokiolona ny taranany. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
28 janoary 2024 — Alahady Tsotra fahefatra Mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 21-28)
Amin'ity taona ity dia asongadina eo anivon'ny fikambanana Saleziana ny nofin'i Md Don Bosco, izay ohatra amin'ny fifandraisana amin'ny tanora. Ny loha-hevitra manentana : ilay nofy mampanofy, fo izay manova ny ambodia ho zanak'ondry. Ilaina amin'ny fotoana rehetra ny fanajana ny Zokiolona, io no afahana maneho ny fahatahorana an'Andriamanitra. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
27 janoary 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao; ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 35-40)
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco