Ny safidy dia mampivoatra ny maha olona. Mampivoatra ny maha-izay avy amin'ilay atao hoe "développement personnel" na fampivoarana sy fanatsarana ny maha-izay eo amin'ny sehatra izay misy dia isan'ny tena ilaina indrindra amin'ny sehatry ny asa, mikendry ny hampitombo sy hanatsara ny vokatra azo. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Manova paik'ady indray ny dahalo ao amin'ny Distrika Ankazobe amin'ny fanafihana ataony. Manentana ny vahoaka sy ny mpitondra eny ifotony ho mailo, hoy ny solombavambahoaka Rija Rasoava Rakotoarisoa... ♦ Maherin'ny 200 ireo voafonja afaka nivoaka ny fonjan'Antanimora omaly nahazo ny fanalefan-tsazy avy amin'ny filohan'ny Repoblika... ♦ Nanokatra ny taona 2024 omaly ny RMDM. Vonona hiady amin'ny tsy rariny sy ny tsy fanajàna ny lalàna izy ireo. Mitohy ny tolona hoy ny mpitondra teniny Pasitera Edouard Tsarahame... ♦ Nanambara ny Praiministra israeliana fa tsy hihazona maharitra an'i Gaza eo am-pelantanany izy ireo. Ny hamongorana ny Hamas no tanjon'izy ireo...
♦ Havaozina sy hatsaraina ny paikady fanabeazana entina miatrika ny fifidianana eny anivon'ny Kaominina sy ny fifidianana solombavambahoaka ataon'ny SAFIDY. Misy ny atrik'asa ataon'izy ireo nanomboka androany any Antsirabe... ♦ Nahitam-bokany ny fampandrian-tany ataon'ny mpitandro ny filaminana any amin'ny Distrika Ankazobe, tsara ary tokony ho tohizana izany hoy ny vahoaka. Na izany aza tsy mbola milamina tanteraka ny any an-toerana... ♦ Miisa 909 ireo voafonja voakasiky ny fanalefahan-tsazy avy amin'ny filohan'ny Repoblika, ho an'ny fonja eny Antanimora. Nahatratra 263 ireo voafonja nahazo fahafahana hatramin'ny androany hariva ka efa nivoaka ny fonja...
♦ Mpikamban'ny governemanta Ntsay Christian : Ho fantatra ny faran'ny herinandro izao ny lisitry ny anaran'ireo ministra nahafeno ny fepetra... ♦ Nahatrarana vary simba 35 gony hafa indray tao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina, vary saika halefa tany Taolagnaro... ♦ Fako manodidina ny 500 taonina isan'andro eo no hesorin'ny mpiasa eo anivon'ny SMA ao Antananarivo-renivohitra, tsy maharaka ny fitaovana entina manala ireo fako... ♦ Misavorovoro tanteraka ankehitriny ny any Equateur taorian'ny fandosiran'i Adolfo Matias lehiben'ny fikambanan-jiolahy tao amin'ny fonja nitazomana azy ny alahady lasa teo...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco