Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 1, 1-8)
Nisy lehilahy anankiray tany Ramataima-Sofima,
any amin’ny tendrombohitr’i Efraima, atao hoe Elkanà,
zanak’i Jerohana, zanak’i Elio, zanak’i Taoho, zanak’i Sofa:
Efrateana izy io.
Nampirafy izy ka i Annà no anaran’ny vadiny anankiray,
ary Fenenà kosa ny anankiray.
Nanan-janaka i Fenenà fa i Annà kosa tsy mba nanan-janaka.
Niakatra avy any an-tanànany isan-taona ralehilahy io,
hivavaka amin’ny Tompon’ny tafika sy hanatitra sorona aminy any Silao.
Ary tao ny zanak’i Helî, roa lahy,
dia i Ofni sy Finea, mpisoron’ny Tompo.
Tamin’ny andro nanateran’i Elkanà sorona,
dia samy nomeny anjara avy i Fenenà vadiny,
sy ny zanany lahy aman-janany vavy
ary i Annà nomeny anjaran-droa satria tiany i Annà,
ary nataon’ny Tompo momba.
Sady nankalozain’itý rafiny mafy izaitsizy koa izy,
mba hampalahelo azy amin’ny nanaovan’ny Tompo azy momba.
Ary toy izany no nataon’i Elkanà isan-taona
isaka ny iakaran’i Annà any an-tranon’ny Tompo,
fa nampijalin’i Fenenà toy izany ihany koa izy.
Ary tamin’izany dia nitomany izy sy tsy nihinan-kanina.
Hoy i Elkanà vadiny taminy:
“Ry Annà ô,
ahoana no itomanianao sy tsy ihinananao hanina?
Ary nahoana no malahelo ny fonao?
Tsy mihoatra noho ny zanaka folo lahy va aho, ho anao?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 115, 12-13. 14-17. 18-19
Koa inona no havaliko ny Tompo,
fa maro dia maro ny soa nataony?
Halaiko ny kalisim-pamonjena,
hantsoiko ny Anaran’ny Tompontsika.
Hefaiko ny voady izay nolazaiko,
hefaiko anatrehan’ny firenena.
Tsy zakan’ny Tompo tokoa anie
ny hoe hahafaty izay mino Azy.
Ry Tompo ô, satria aho mpanomponao,
satria aho mpanompo mahatoky Anao,
fa zanaka mpanompovavinao
dia indro ny gadrako esorinao.
Hanatitra sorom-pisaorana aho,
hiantsoako amin’ny foko ny Anaranao.
Hefaiko ny voadiko taminao,
efaiko anatrehan’ny firenena.
Efaiko ao an-kianjan’ny Tranonao,
ao Jerosalema tanànanao.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 14-20)
Nony natao an-tranomaizina i Joany,
dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra,
ka nanao hoe:
“Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra;
mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely.”
Nony nandalo teny amoron-dranomasin’i Galilea Izy,
dia nahita an’i Simôna sy i Andre rahalahiny
nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Andeha hanaraka Ahy,
fa hataoko mpanarato olona ianareo.”
Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo,
ka nanaraka Azy.
Nony nandeha kelikely Izy,
dia nahita an’i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny,
izay teo an-tsambo kely koa nanamboatra ny haratony.
Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy,
ka nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambo keliny
i Zebede rainy sy ny mpikaramany,
fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nahavita ny fihanianany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ka nandraisany ny asa maha filohan'ny repoblika azy ; banga ny toeran' ireo vondron'ny kandidà 11, nandritra ny lanonam-pihanianany teny Mahamasina... ♦ Nilaza ho nisy nandrahona hisambotra ireo ray aman-dreny ara-drazana eo anivon'ny ARFM, nanao fomba ara-drazana teny amin'ny Rovan'Ambohidratrimo izy ireo ny sabotsy teo ho fanoherana ny lanonam-pihanianana teny Mahamasina ♦ Miantso ireo mpisehatra pôlitika rehetra eto Madagasikara hisian'ny fifampidinihana pôlitika ny masoivohan'ny Angeletera eto Madagasikara, mila hapetraka ny fifampitokisana mialohan'ny hirosoana amin'ny fifidianana manaraka hoy izy...
Ny zaza manana ny ampy sady maneho toetr'olombanona dia mampanadino ny hambanian-tsarangan'ny ray aman-dreniny ; ary mamerina ny hasina ho an'ny tena sy ny fianakaviana. Rehefa mivoatra amin'ny lafim-piainana rehetra ny olona dia misokatra mijery ny hafa ary mahatsapa tena ho tompon'andraikitra ihany koa amin'ny hafa ka mety ho foana ilay toe-tsaina tia tena. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
18 desambra 2023 — Alatsinainy, herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Solofon’i Jese, fisehoan’ny fivondronan’ny vahoaka, avia hamonjy anay, aza maharitra ela intsony — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 1, 18-24)
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco