Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 22, 1-19)

Ny sorona nataon’i Abrahama Razambentsika.

Tamin’izany andro izany,
nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe:

“Ry Abrahama ô!”

Ary hoy izy:

“Inty aho.”

Dia hoy Andriamanitra:

“Ento ny zanakao, ilay lahitokanao, ilay tianao, dia i Isaaka,
ka mankanesa any amin’ny tany Môrià,
ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana
eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao.”

Nifoha maraina koa i Abrahama, nanisy lasely ny ampondrany,
naka roa lahy tamin’ny mpanompony hiaraka aminy, sy i Isaaka zanany,
ary namaky ny hazo hataina amin’ny sorona dorana,
dia niainga nankany amin’ny tany efa nolazain’Andriamanitra azy.

Nony tamin’ny andro fahatelo,
nanopy ny masony i Abrahama ka mbola lavitra ihany izy
dia nahatazana ilay toerana,
dia nilaza tamin’ireo mpanompony i Abrahama nanao hoe:

“Mijanòna eto amin’ny ampondra ianareo,
fa izahay sy ny zaza dia mikasa ho ery hivavaka,
vao hiverina eto aminareo indray.”

Dia nalain’i Abrahama ny hazo hataina amin’ny sorona dorana,
ka natataony an’i Isaaka zanany,
ary ny afo sy ny antsy kosa nentiny teny an-tanany,
dia niara-nandeha izy mianaka.
Fa hoy i Isaaka tamin’i Abrahama rainy:

“Dada ô!”

Ka hoy ny navaliny:

“Inty aho, anaka.”

Dia hoy i Isaaka:

“Ny afo sy ny kitay ireto dia efa eto,
fa izay zanak’ondry atao sorona dorana kosa no aiza?”

Hoy ny navalin’i Abrahama:

“Hataon’Andriamanitra izay hahitana ny zanak’ondry
hatao sorona dorana, anaka.”

Dia niara-nandeha izy mianaka.

Nony tonga teo amin’ny toerana natoron’Andriamanitra azy izy,
dia naorin’i Abrahama teo ny ôtely;
nalahany ny kitay hazo, ary nafatony i Isaaka zanany,
ka napetrany tambonin’ny ôtely eo ambonin’ny kitay.
Dia naninjitra ny tanany i Abrahama ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany.
Tamin’izay niantso tany an-danitra ny Anjelin’ny Tompo nanao hoe:

“Ry Abrahama! ry Abrahama ô!”

Ka hoy ny navaliny:

“Inty aho.”

Dia hoy ny Anjely:

“Aza manainga ny tananao hamely ny zaza,
ary aza maninomaninona azy akory,
fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao,
sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao,
ilay lahitokanao ho Ahy.”

Ary nanopy maso i Abrahama ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony,
voasingotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony;
dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy,
ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany.
Ary nataon’i Abrahama hoe Iaveh-Iereh ny anaran’io toerana io.
Ary avy amin’izany ilay fitenenan’ny olona mandraka androany hoe:

“Ho hita ihany izany any an-tendrombohitry ny Tompo.”

Ary ny Anjelin’ny Tompo niantso an’i Abrahama fanindroany tany an-danitra,
ka nanao hoe:

“Efa nianiana tamin’ny teniko Aho, hoy ny Tompo,
fa noho ianao nanao izany sy tsy nandà fa nahafoy ny zanakao,
ilay lahitokanao, ho Ahy,
dia hanisy soa anao Aho,
hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra
sy ny fasika eny amoron-dranomasina,
ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,
satria nanaiky ny teniko ianao.”

Dia niverina nankeny amin’ny mpanompony i Abrahama
ka niainga izy ireo niara-nandeha nankany Bersabea.
Ary nonina tao Bersabea i Abrahama.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 114, 1-2. 3-4. 5-6. 8-9

Koa hizotra eo anatrehan’ny Tompo aho, any amin’ny tanin’ny velona.

Izaho tia ny Tompo,
noho Izy mandre ny feoko mihanta:
itongilanany sofina aho
amin’ny andro iantsoako Azy!

Efa voagejan’ny rohin’ny fahafatesana aho,
efa niantontàn’ny haraton’ny Seoly,
tojo fahoriana sy ahiahy,
ka niantso ny Anaran’ny Tompo.

Ny Tompo antra sy marina;
ny Andriamanitray mahay mangoraka;
ny Tompo Mpiaro ny olon-tsotra:
osa aho ka novonjeny.

Eny, Ianao no manafaka
ny aiko amin’ny fahafatesana,
ny masoko amin’ny tomany,
ny tongotro amin’izay manafintohina!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo,
ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio ( Mt. 9, 1-8)


Nankalaza an’Andriamanitra ny vahoaka noho Izy nanome fahefana ny olona toy izany.

Tamin’izany andro izany,
niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa,
dia nita ka tonga tao an-tanànany.
Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy
nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy.
Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa,
dia hoy Izy tamin’ilay malemy:

“Matokia anaka,
fa voavela ny helokao.”

Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe:

“Miteny ratsy an’Andriamanitra ilay io.”

Fa i Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe:

“Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
Inona no moramora kokoa, ny manao hoe:
‘Voavela ny helokao’,
sa ny manao hoe:
‘Mitsangàna, ka mandehana?’
Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona
manam-pahefana ety an-tany hamela heloka”,

dia hoy Izy tamin’ilay malemy:

“Mitsangàna, ento ny fandrianao,
ary modia any an-tranonao.”

Dia nitsangana izy ka nody tany an-tranony.
Nony nahita izany ny vahoaka,
dia natahotra sy nankalaza an’Andriamanitra
noho Izy nanome ny olona fahefana toy izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hibahan-toerana amin'ny vaovao entina amintsika izao ny akon'ny fanamasinana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Hafatra nentin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, mahakasika ny fandaminana amin'ny fisaorana an'i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona sy ny fandraisana ny Arseveka vaovao...

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 21, 5. 8-20)

Tsy mahazo miray lova amin’i Isaaka zanako ny zanak’io mpanompovavy io.

Efa zato taona i Abrahama tamin’ny nahaterahan’i Isaaka zanany.
Nihalehibe ny zaza dia notàzana.
Ary nanao fanasana lehibe i Abrahama tamin’ny andro nanotazana an’i Isaaka.
Ilay zanak’i Agara Ejipsianina naterany tamin’i Abrahama kosa,
hitan’i Sarà fa nihomehy, ka hoy izy tamin’i Abrahama:

“Roahy io andevovavy io sy ny zanany;
fa ny zanak’io andevovavy io
dia tsy mahazo miray lova amin’ny zanako,
amin’i Isaaka.”

Nampalahelo mafy an’i Abrahama izany teny izany,
noho ny amin’ny zanany.
Fa hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama:

“Aza atao mampalahelo anao ny amin’ny zaza sy ny andevovavinao,
fa na inona na inona angatahin’i Sarà, ekeo avokoa,
satria avy amin’i Isaaka no hiavian’ny taranaka hitondra ny anaranao.
Kanefa hotongaviko firenena ihany koa ny zanaky ny andevovavinao,
satria terakao izy.”

Dia nifoha maraina koa i Abrahama,
ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray;
nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa,
dia nalefany izy.
Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.
Nony lany ny rano tamin’ilay siny hoditra,
dia nariany teo am-poto-kazo kely anankiray ny zaza;
ary lasa izy nipetraka lavidavitra tandrifiny
sahabo ho tra-tsipìka; fa hoy izy:

“Tsy tiako ny hahita ny hahafatesan’ny zaza.”

Koa nipetraka tandrifiny izy, dia nanandra-peo ary nitomany.
Andriamanitra nandre ny feon’ny zaza,
ka ny Anjelin’Andriamanitra tany an-danitra
dia niantso an’i Agara nanao hoe:

“Fa maninona izato ianao, ry Agara?
Aza matahotra fa efa henon’Andriamanitra ny feon’ny zaza,
ao amin’ny toerana misy azy.
Mitsangàna ianao, areno ny zaza, ka tantano izy;
fa hataoko firenena lehibe izy.”

Dia nampahiratin’Andriamanitra ny mason’i Agara,
nahita lavaka fantsakana izy,
ary nofenoiny rano tao ny siny hoditra,
dia nampisotroiny ny zaza.
Nomban’Andriamanitra ny zaza, ka nihalehibe;
ary nonina tany an’efitra izy,
sy tonga mpandefa tsipìka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 33, 7-8. 10-11. 12-13

Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo.

Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Ny Anjeliny milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.

Matahora ny Tompo ianareo masiny:
fa izay matahotra Azy tsy orin’inona.
Ny tremalahy no tonga mahantra sy noana;
izay mitady ny Tompo tsy orin-tsoa inona.

Avia, rey anaka, mihaino ahy
hampianariko ny tahotra ny Tompo!
Iza no olona mankamamy fiainana
sy maniry hahita andro mahasambatra?

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy
sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 28-34)

Tonga Ianao hampijaly ny demony amin’izao fotoana izao.

Tamin’izany andro izany,
nony efa tonga teny am-pita tamin’ny tanin’ny Geraseny i Jesoa,
dia nisy lehilahy roa nidiran’ny demony,
nivoaka avy tamin’ny fasana, ka namantana taminy;
masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany lalana izany.
Ary indreo izy niantso hoe:

“Mifampaninona izahay sy Ianao,
ry Jesoa Zanak’Andriamanitra?
Hampijaly anay alohan’ny fotoana va no nalehanao aty?”

Ary nisy kisoa betsaka iray dia, nihinana teny lavidavitra Azy teny,
ka nihanta tamin’i Jesoa ny demony nanao hoe:

“Raha dia roahinao hiala eto àry izahay,
mba alefaso amin’iretsy andian-kisoa iretsy.”

Ary hoy Izy taminy:

“Mandehana.”

Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin’ny kisoa;
niaraka tamin’izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra,
ka maty tany anaty rano.
Ary nandositra ny mpiandry azy:
ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany,
sy ny amin’ireo olona roa nidiran’ny demony.
Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an’i Jesoa,
ka nony nahita Azy, dia niangavy taminy mba hiala amin’ny faritaniny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Noraisina tao amin'ny Katedraly Kristy Mpanjaka Miarinarivo, tamin'ny alahady 25 jona 2023, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, izay notendren'ny Papa François, ho “Administrateur Apostolique” ao amin'ny Diôsezin'i Miarinarivo... ♦ Hafatra feno fampaherezana no nentin'ireo ray aman-drenim-piangonana rehetra, nandritra ny fankalazana ny faha-27 taona niorenan'ny Radio Don Bosco, tamin'ny talata 27 jona 2023...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...